Alarobia 17 Septambra 2025

Fa iza no itokianao ? Isaia 36:5

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra. Ohabolana 3:5

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. 1 Jaona 5:13

 

Avotsory ilay rantsankazo !

— Tsy maintsy miaiky aminao aho, ry Lisa, fa mihafeno tebiteby kokoa hatrany, mieritreritra ny fahafatesana sy izay aorianan’izany.

— Tsara izany, manasa anao Andriamanitra, araka izany, mba hiomana.

Sorena tamin’io valinteny io i Camille, ary nitantara ny fiezahany mba haha voavonjy azy, ny vavaka nataony, ny famakiany ny Filazantsara, ny fanatrehany ireo fotoam-pivavahana.

— Ary ianao, hoy izy, inona no nataonao mba hahatony tsara anao toy izao ?

— Tsy nanao na inona na inona aho. Jesosy no nanao ny zavatra rehetra, ho ahy.

Ny hariva, nieritreritra io teny io i Camille ka dia nandohalika tao an’efitranony, ary… raiki-tory. Nanonofy izy hoe latsaka tao anaty hantsana mahatsiravina, nefa nahafikitra rantsankazo iray ary nihantona teo. Namoy fo izy, niantsoantso hoe : „Vonjeo, Tompo ô, vonjeo aho !” Dia nahare feo niteny taminy izy hoe : „Avotsory ilay rantsankazo”. Nanohy nifikitra ihany izy, no nahare hoe : „Tsy afaka hamonjy anao aho, raha tsy avotsotrao ilay rantsankazo”. Rehefa navotsony ilay nifikirany, nony farany, dia nianjera teo ambony sandry roa nitsotra izy, ary… nifoha. Takatr’i Camille fa mendrika ny fitokisany manontolo Jesosy, ary tsy misy na inona na inona azo anampiana ny asa notanterahiny teo amin’ny hazofijaliana. Tsy ilaina ny mifikitra amin’ny fahamendrehan’ny tena manokana.

„Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2:8-10).