Talata 16 Septambra 2025

Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory ? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe : Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ny masonao ? Lioka 6:41-42

 

Ny sombin-kazo sy ny andry

Ny hoe mijery ny „sombin-kazo”, dia mijery ireo fahadisoan’ny hafa, sady tsy mahita ireo an’ny tena, izay matetika lehibe lavitra, antsoina hoe ny „andry”. Hoy Jesosy amintsika tsirairay : Nahoana ianao no manao toy izany ? Nahoana no manana izany toetra tsy mitombina izany ? Koa taominy isika mba hahatsapa ny antony manosika antsika hanao izany.

Ireo fahadisoantsika ihany, matetika, no tanisaintsika eny amin’ny hafa. Araka ny nolazain’ity namako marokana iray, isika dia miampanga ny hafa amin’ny antsasak’izay maha isika antsika.

Mandeha lavitra kokoa ny fanontaniana faharoa napetrak’i Jesosy, hoe : „Ahoana no ilazanao ?”, mampahafantatra antsika ny fihamafisan’ny fontsika. Mitsara ny hafa isika (amin’ny sombin-kazo) nefa manao ratsy kokoa (amin’ny andry).

Koa mananatra antsika Jesosy hoe : „Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao” (and 42). Fihetsika feno fitiavana ny te hanaisotra ny zavatra tafiditra ao amin’ny mason’ny rahalahin’ny tena, indrindra raha lazaina am-panajana hoe : „Ry rahalahy, aoka hesoriko…” (avelao aho…). Nefa fihatsarambelatsihy izany, raha tsy nesorina aloha ny andry eo amin’ny tena ! Ny hoe mihatsaravelatsihy dia ny mitondra sarontava, manafina amin’ny hafa —ary matetika amin’ny tenantsika ihany koa- ny tena maha isika antsika. „Esory aloha ny andry eo amin’ny masonao”, hoy Jesosy, izany hoe mieke ny fahadisoanao ary aza mamerina ireny intsony. „Dia ho hitanao tsara…” Raha mahatsapa aho fa mamindra fo amiko Andriamanitra ary namela ny heloko, dia hahita tsara. Hahay manetry tena aho, ary hanatona am-pahalalam-pomba sy am-panajana ny rahalahiko, ny anabaviko, mba hanaisotra ny sombin-kazo manamaizina ny masony, toy ilay andry nanamaizina ny masoko.