Alatsinainy 15 Septambra 2025
Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. Matio 25:13
Isika aza dia misento ato anatintsika, miandry… ny fanavotana ny tenantsika. Romana 8:23
Voan’aretina mafy mila famindrana taova ity vehivavy iray namako akaiky. Koa nosoratana anarana ao amina lisitry ny olona miandry izy. Nanomboka teo dia tsy maintsy vonona hamaly ny antso avy any amin’ny hôpitaly, amin’ny fotoana rehetra, na andro na alina, sy hankany faran’izay haingana. Finday maro no nofahanana sy novelomina hatrany, mba tsy ho dilan’ny antso, ny valizy koa efa vonona mandrakariva.
Izany toejavatra izany dia mampieritreritra ahy ny tokony hitandremako mba hihazonako ny fifandraisako amin’Andriamanitra. Toy ilay namako mitandrina mba tsy hihanaka ny aretina mety tsy hampahomby ny famindrana taova, izaho ve mba mitandrina tsy hamela hisy sampona hanakana ahy tsy handre izay tian’Andriamanitra holazaina ahy ? Mba miambina lalandava ve aho ? hihazonako fifandraisana tsara aminy.
Rehefa tonga ny antso, nony farany, dia namela ny asa aman-draharahany avokoa ireo olona akaiky azy, ary nankany amin’ny hôpitaly avy hatrany. Tsy izany ve no hitranga rehefa hantsoin’i Jesosy avy any an-danitra isika, mba ho any aminy ? Vonona handao ny zavatra rehetra ve isika ?
Ho antsika nandray an’i Kristy ho Mpamonjy, dia tsy hisy tahotra intsony. Havelantsika any aoriana ny fijaliana mifamatotra amin’ny toetra maha olombelona antsika, ary indrindra, handeha hihaona amin’ny Tompontsika isika. Mba mafana fo ve isika, miandry io fotoana io ?
Ho an’ireo tsy niraika tamin’ny fitiavan’Andriamanitra, na nandà io fitiavana io nandritra ny fiainany, anefa, dia ho tara loatra ny hanatonana Azy. Androany Jesosy no manolotra ny famelan-keloka avy aminy. Noho ny fahafatesan’i Kristy, dia afaka mandray ny fiainana mandrakizay ianao, tsy mila miandry.