Alahady 14 Septambra 2025

Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho ; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Apokalypsy 21:1

 

Tsy misy „planeta B” ve ?

Io fiteny io dia hita miseho eny amin’ny fihetsiketsehana sy any amin’ny tambajotran-tserasera na ny haino aman-jery, mampahatsiaro ny harefon’ny planetantsika sy mitaona ny tsirairay, araka izay tandrify azy, hikarakara izao planeta izao. Voarefy kely amin’izany, hoe hatraiza no manimba izao tontolo misy antsika izao ny fiarahamonina manindrahindra ny fanjifana. Asehon’ny Baiboly antsika fa mampijaly ny voary ny ota ao anatin’ny olona. Nefa ambarany koa fa hisy tokoa ny „planeta B”.

Ny tany ankehitriny, noarìn’Andriamanitra ho lavorary, dia nosimban’ny fitondrantenan’ny olombelona manohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Indray andro any, „ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy” (2 Petera 3:10). Andriamanitra, Izay „madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1:13), dia hanafoana izay rehetra nosimban’ny ota. Hahary tany vaovao Izy, tany afaka hitoerany miaraka amin’ny olona. „Ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” (Apokalypsy 21:3). Ho foana ny tsy fahamarinana : „Isika… dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” (2 Petera 3:13). Amin’izay fotoana izay dia ho foana avokoa izay rehetra korontana, fijaliana, ady, vokatry ny haratsin’ny fon’ny olombelona. „Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana ; fa efa lasa ny zavatra taloha” (Apokalypsy 21:4). Nefa iza no hanana anjara amin’izany fotoana mahatretrika izany ? Izay nino ny Tenin’Andriamanitra sy natoky an’i Jesosy Kristy irery ihany.