Asabotsy 13 Septambra 2025
Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe : Ry Jeremia, inona izao hitanao izao ? Ary hoy izaho : Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako. Dia hoy Jehovah tamiko : Marina ny ahitanao azy ; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. Jeremia 1:11-12
Any amin’ny tany manodidina ny ranomasina Mediteranea, indraindray dia mamelana dieny volana janoary ny hazo mahatsiaro. Ao anatin’ny andro vitsivitsy dia rakotra voninkazo ny rantsany tsy nisy na inona na inona teo… Na mbola anaty ririnina aza, dia toa fampanantenana lohataona sahady ireo voninkazo fotsy madio ireo.
Ny teny hebreo ilazana ny amygdala dia „ny hazo mahatsiaro”. Nampiasain’Andriamanitra io kisarisarin’ny hazo mahatsiaro io mba hampaherezany an’i Jeremia, ilay mpaminany tanora, sy hilazany aminy fa ho tanteraka ny Teniny.
Toy ny vonin’ny hazo mahatsiaro, izay marefo ao anatin’ny ririnina, dia toa manjavozavo ihany ireo fampanantenan’Andriamanitra, eo amina tontolon’olona mafy fo sy mangatsiaka. Ho tanteraka anefa ireo. Izany no fahazoana antoka amin’ny finoana, izay toa fahadalana ho an’ny sasany, nefa fatokiana an’Andriamanitra sy ny Teniny, raha tsy mijanona amin’ny zavatra hita maso.
Mangatsiaka sy manjombona tahaka andro ririnina ve ny fiainanao ? Ekeo eo anatrehan’Andriamanitra fa mila Azy ianao. Tia anao aoka izany Izy, ka nanome ny Zanany Lahitokana mihitsy mba hanafaka anao. Ho an’izay mitoky aminy, dia ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra : „Indreo efa tonga vaovao ireo [zavatra taloha rehetra]” (2 Korintiana 5:17). Ny fiadanana, ny fifaliana, ny fitiavan’Andriamanitra dia arotsaka ao am-pon’ny mpino, ary toy ny famelanan’ny voninkazo amin’ny lohataona, miboiboika ho fahamoram-po sy fahalemem-panahy eo amin’ny manodidina azy. „Efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy, ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika” (Salamo 92:13). Aoka haharitra „amin’ny finoana ianareo, ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara” (Kolosiana 1:23).