Zoma 12 Septambra 2025

Hoy Pilato taminy (tamin’i Jesosy) : Inona no marina ? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray, ka nanao taminy hoe : Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. Jaona 18:38

Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany. Jaona 3:21

 

Inona no marina ?

„Inona no marina ?” hoy i Pilato nanontany an’i Jesosy talohan’ny nivoahany ny toeram-pitsarana, tsy niandry valinteny akory (jereo Jaona 18:33-38). Fanesoana ve izany ? Nikorontan-tsaina ve izy ?

Ndao hanontany tena momba ny fifandraisantsika amin’ny marina, ato amin’izao tontolo rakotra vaovao tsy marina sy lainga izao. Ireo rehetra mitady ny marina, na eo amin’ny sehatry ny siansa, na ny ara-panahy, na ny finoana, dia mahafantatra fa tsy ho afaka hahatakatra tanteraka izany, na oviana na oviana (maha vaka antsika mandrakariva ny marina).

Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga mba hampifandray antsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Tonga Izy, tam-pitiavana sy fangorahampo, niaina io fahamarinana io teto anivon’ny olombelona nihataka tamin’izany. Hoy Izy : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Noho izany, ny mandray am-panetrentena ny fahamarinana araka an’Andriamanitra dia midika hoe manaiky an’i Kristy, Izay nampiseho antsika io fahamarinana io teo amin’ny tenany, teo amin’izay nambarany sy nataony tetỳ an-dalany tetỳ an-tany. Io fihaonana manokana amin’i Kristy io dia hay atao amin’ny alalan’ny finoana. Io dia ahafahantsika „manao” ny marina eo amin’ny tenantsika sy ao anatintsika, ahafahantsika „manatona ny mazava”. Asa sarotra izany, mitaky hery tovozina ao amin’ny fitiavan’Ilay niteny hoe „Izaho no fahamarinana” sy te hanome antsika ny aina, mba hahafantarantsika ny marina sy hampiharantsika izany (andininy androany).

Tetỳ an-tany nanjakan’ny lainga sy ny haizina, Jesosy dia nangataka tamin’ny Rainy ho an’ireo izay mino Azy, hoe : „Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana”. Ndao isika hamaky ny Baibolintsika, dia hahita ny valin’ny fanontanian’i Pilato.