Alakamisy 11 Septambra 2025

Tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy, hinoany ny lainga. 2 Tesaloniana 2:10-11

Raha manavaka ny zavatsoa hiala amin’ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako. Jeremia 15:19

 

Vaovao tsy marina

Ny vanimpotoana iainantsika dia voamariky ny hamaron’ny vaovao, miely faran’izay haingana. Nefa noho izany dia miroborobo koa ny antsoina hoe „fake news”, na vaovao tsy marina. Ny fivelaran’ny tambajotran-tserasera dia ahafahana mandefa vaovao mety ho eo ho eo ihany na tena diso tanteraka, amin’ny alalan’ny internet. Ny fandrebirebena saina dia nitondra ho amina firehankevitra mampidi-doza. Ahoana moa no tsy hitebiteby ? manoloana ny fitaovana mitombo isa aoka izany eo ampelatanan’ny olona, amin’izao taonjato faha-21 izao, fitaovana itarihana fitambarana mponina manontolo.

Tsy niandry izao taonjato faha-21 iainantsika izao ny Baiboly, hiresahana amintsika „fiàsan’ny fahadisoan-kevitra” (2 Tesaloniana 2:11), izany hoe herim-pahaverezan-tsaina hitondra ny olona hino ny lainga. Satana dia tondroin’ny Baiboly ho rain’ny lainga (Jaona 8:44). Ny tetika ampiasainy dia tsy hoe hanohitra mandrakariva ny marina tsy akory, fa matetika ny hanafina izany ao anaty lainga marobe, hany ka tsy hay atao ny manavaka ny marina sy ny diso.

Tsy manaitra ve ? ny hoe maro ny olona mandray avy hatrany vaovao tsy voamarina akory, ary miaraka amin’izany, mandà mafy ny Tenin’ny Baiboly, ilay Vaovao mahafaly ?

Ao amin’ny Baiboly, Jesosy Ilay Zanak’Andriamanitra dia manambara fa Izy no fahamarinana. Fahamarinana miorina amina „teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika” (Salamo 12:6). Jesosy mihitsy no votoaty sy fanorenan’ny „Vaovao mahafaly”. Raha mino ny hafatra sarobidy entiny ianao, hafatra mirakitra fahamarinana sy fitiavana, dia tsy ho voafitaka. Ary hanjary vavolombelon’izany ianao : „ho solom-bavako”, hoy Andriamanitra (Jeremia 15:19).