Alarobia 10 Septambra 2025
Fa isika koa dia… sady hala no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:3-5
Tamin’ny taonjato faha-19 dia niasa nandritra ny 50 taona tany Afrika, teo anivon’ny fokon’ny Betchouanas, manamorona ny ony Orange, ny misionera-mpisava lalana Robert Moffat. Nahatonga ny mponina teo an-toerana hanaja azy ny fahaizany mamboly, mandrafitra, manefy vy. Ny zavatra voalohany nameno ny sainy anefa dia ny hitondra ho azy ireo ny hafatra avy amin’i Jesosy Kristy. Mba hahatratrarany izany tanjona izany dia nandika ny Baiboly tamin’ny fitenin’izy ireo izy.
Indray andro dia nisy lehilahy iray tao amin’ny foko, tonga nihaona tamin’i Moffat ary nanontany azy hoe :
— Mpampianatra ô, te hametraka fanontaniana iray aminao aho : Mahafantatra ny fokonay angaha ny olona nanoratra ny Testamenta Vaovao ? Niady hevitra momba izany mantsy izahay tany an-tanànanay, ary maro ny nihevitra hoe eny.
— Inona no mahatonga anareo hihevitra izany ? hoy i Moffat.
— Hay ! heverinay fa mahafantatra anay izy, satria voarakitra ao anatin’io boky io avokoa ny ratsy rehetra misy ao anatin’ny fonay.
Tamin’izany vanimpotoana izany dia maro tamin’ny Betchouanas no resy lahatra tamin’ny hafatra mazava sy marina entin’ny Tenin’Andriamanitra momba azy ireo, nefa ihany koa noho ny hafatra mifono fitiavana ambaran’Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Noho ny finoana an’i Kristy dia niaina fiovana lalina teo amin’ny fiainany izy ireo.
„Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).