Talata 9 Septambra 2025

Jehovah no harambatoko sy baterỳ fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy. Salamo 18:2

Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa, mba hahazakanareo izany. 1 Korintiana 10:13

 

Mahay manafaka amin’ny fakam-panahy Andriamanitra

Manirery, very asa, misaona, marary, mitebiteby : fahoriana maro no mianjady amin’ny olombelona ! Koa inona no loharanon-kerintsika, manoloana izany zava-tsarotra izany ? Raha tsy mitodika amin’Andriamanitra isika, dia ho feno fangidiana, na famoizampo mihitsy aza. Fa raha mpino kosa isika, dia afaka miteny hoe : „Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” (Salamo 46:1).

Mahalala ihany koa isika fa „fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy, amin’ny fakam-panahy” (2 Petera 2:9). Ny olona tia vavaka dia izay manana an’Andriamanitra ho Ray, satria efa nandray an’i Jesosy tao am-pony. Izany fifandraisana izany dia ao amina fanajana sy fatokiana. Ny Baiboly dia mampiseho amintsika ohatra maro momba olona tia vavaka, nafahana tao anatin’ny fahoriana nolalovany. Toy izany ny mpaminany Daniela, izay natao sesitany tany Babylona, ary natsipy tao an-davaka liona, satria tsy nanaiky hiankohoka amina sampy. Nefa Andriamanitra dia nanakombona ny vavan’ireo liona (Daniela 6:24). Ambaran’ny Baiboly antsika fa i Daniela dia marina sy mahatoky. Nanompo an’Andriamanitra tsy tapaka izy, ary nitoky taminy.

Araka izany, raha mandalo fitsapana mampangirifiry isika, eny angamba fanenjehana toa an’i Daniela aza, dia ndao hahatsiaro fa navelan’Ilay Raintsika any an-danitra hiseho ireny zava-tsarotra ireny, satria manana drafitra ho antsika tsirairay Izy. Ambarany mihitsy aza hoe : „Sambatra izay efa naharitra” (Jakoba 5:11). Ndao hianatra tsy hamery ny fitokiana aminy. Tia antsika Izy, mahay manafaka, nefa noho ny fahendreny, indraindray dia manalava ny fitsapana, mandanjalanja izany, satria fantany tsara izay afaka ho zakantsika (andinin-tSoratra Masina androany).