Alatsinainy 8 Septambra 2025
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. Jeremia 29:11
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra, amin’ny finoanareo. Romana 15:13
— Mikaël, iraikambinifolo taona, dia tratra nangalatra kilalao tany amina toeram-pivarotana lehibe iray, ary nentin’ny polisy nody tany an-tranony. Tsy nisy an’iza na iza tao an-trano, satria mbola tany am-piasana ny reniny. Menatra loatra izy, ka nitsambikina avy tany amin’ny rihana fahafito.
— Victoria dia naolan’ny ray keliny ka nitelina fanafody mahery vaika, mba hamaranany fiainana naharikoriko azy.
— „Te handositra ity tontolo tsy takatry ny saiko ity aho. Tiako ianareo”. Izany no fara hafatr’i Pierre, mpianatra namiratra, tamin’ny ray aman-dreniny…
Ny famonoan-tena any Frantsa dia mahakasika olona 200. 000 eo ho eo isan-taona ; maherin’ny 9. 000 no maty amin’izany. Ny famonoan-tena no antom-pahafatesana voalohany eo amin’ny salan-taona 25-34 taona…
Nahoana no misy io aretim-piaina io ao amina tanora an’arivony maro ? Aotra loatra ny fiainana, hoy izy ireo, ary tsy misy hoavy.
Tsy zakan’izy ireo intsony ireo fifandirana, ireo fisarahana… Ny sasany dia milonjo enta-mavesatry ny fahamelohana avy amina fitondrantena vetaveta. Izany famoizampo izany angamba dia mahazo ny namana akaiky anao indrindra… na mahazo anao mihitsy aza ?
Iza no afaka hahatakatra izany ? Izany indrindra no nahatongavan’Andriamanitra ho olona tao amin’i Jesosy, mba hanatonany antsika. Jesosy, Izay Andriamanitra, dia mahafantatra anao. Te hanome anao hoavy sy fanantenana Izy. Miresaha aminy amin’ny teninao, lazao azy izay rehetra tsapanao, ny alahelonao, ny tahotrao, izay rehetra mankarary anao, ny famoizamponao. Mihaino anao Izy, ary tiany hiara-miaina aminy ianao. „Mankanesa atỳ amiko !” hoy Izy tamin’ireo nanana fo mavesatra… Anio dia mbola manan-kery ny antsony sy ny fiombonam-pony, mba hanome fitsaharana sy fiadanam-panahy ho an’izay matoky Azy (Matio 11:28-30).