Alahady 7 Septambra 2025

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana… Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:11-12, 20

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3

 

Mahafantatra ny fiainana mandrakizay

Ny kristiana dia manana ny fiainana mandrakizay. Fahazoana antoka mahatalanjona izany, miorina amin’ireo fanambaran’ny Baiboly !

Ny toetra maha mpanota antsika dia manalavitra antsika tanteraka amin’Andriamanitra. Nefa tian’Andriamanitra harovana ny olona noarìny, mba tsy hiharan’ny fitsarana mandrakizay : „Tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Te hanome azy ireo ny fiainana mandrakizay Andriamanitra. Ny Baiboly dia milaza ny fiainana mandrakizay ho fanomezana „nampanantenain’Andriamanitra… hatry ny fony fahagola” (Titosy 1:2), fiainana tsy azo raisina afa-tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy : „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).

Ho fahadisoana ny famintinana ny fiainana mandrakizay hoe taona mifanesisesy tsy misy fiafarany, satria tsy miankina amin’ny fotoana izy, ary misy lalandava ao anatin’ny fotoana sy ao ivelan’ny fotoana. Noho izany ny kristiana dia tsy „miandry” ny fiainana mandrakizay tsy akory ; efa zavamisy izany manomboka amin’ny fotoana inoany an’i Jesosy Kristy : „Izay manana ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36).

Ny fiainana mandrakizay aza, dia Jesosy Kristy tenany mihitsy (1 Jaona 5:20). Hoy Izy : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (Jaona 11:25). Taorianan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nitsangana velona indray Izy, ary velona „mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 1:18). Ary ny apostoly Paoly dia milaza marimarina hoe : „Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2:20). Koa ny mpino izany dia efa manana fiainana mandrakizay, miaina ny fiainan’i Kristy, nandova ny toetrany. Mahafantatra an’Andriamanitra sy ny Zanany izy (Jaona 17:3), satria tsy misy afaka mankany amin’Andriamanitra Ray afa-tsy amin’ny alalan’i Jesosy.

Efa nandray ny fiainana mandrakizay ve ianao ?