Asabotsy 6 Septambra 2025
Ny Joda sy ny Israely nandry feizay…, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny. 1 Mpanjaka 5:5
Jesosy… nanao taminy hoe :… Hitako teo ambanin’ny aviavy ianao. Dia namaly Natanaela ka nanao hoe : Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra ; Ianao no Mpanjakan’ny Israely. Jaona 1:47-48
Io hazo resahina matetika ao amin’ny Baiboly io dia mariky ny fahavokarana, fiarovana ary fitoniana. Teo ambany fanjakan’ny mpanjaka Solomona, fanjakana feno fiadanana sy fahamarinana, ny olona tsirairay dia samy nitoetra tam-pilaminana teo ambanin’ny aviaviny. Toejavatra mitovy amin’izany koa no nambara ho an’ny vanimpotoana ho avy, eo ambany fanjakan’ny Kristy (Mika 4:4). Fa isika ve mba afaka miaina izany ao amin’ny fiainantsika anaty, amin’izao vanimpotoana mikorontana lalovantsika izao ? „Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo” (Isaia 30:15). Izany no atao hoe mitoetra eo ambanin’ny aviavin’ny tena : mitoetra amin’ny finoana eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra.
„Hitako teo ambanin’ny aviavy ianao”, hoy Jesosy rehefa nihaona tamin’i Natanaela. Izy ve indraindray nipetraka teo ambany aviavy, toerana fisaintsainana, fiandrasana, fanantenana ho azy sy ny mpiray tanindrazana aminy ? Aiza ho aiza ny amin’Ilay Mesia nampanantenaina ? Hatairana toa inona no nahazo azy rehefa niteny taminy Jesosy hoe : „Hitako… ianao”, nefa i Natanaela tsy nahafantatra Azy akory ! Nisalasala momba ny maha Izy Azy an’i Jesosy izy, nefa rehefa nandre io teny io dia nanaiky Azy ho Ilay Mesia, ary Ilay Andriamanitra mihitsy aza.
Tamin’ny andron’i Jesosy, ny vahoaka dia teo ambany fanjanahan-tany romana. Natanaela sy Filipo anefa nieritreritra ireo fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, nieritreritra an’Ilay noresahin’i Mosesy sy ny mpaminany.
Amina sary an’ohatra, dia ndao ho „eo ambany aviavy”, eo imason’i Jesosy, mba hahatsiaro indray hoe iza moa Izy, sy mba hamelombelona indray ny finoantsika, ao amin’ireo fampanantenany hoe : „Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20) sy hoe : „Handray anareo ho any amiko [Aho]” (Jaona 14:3).