Zoma 5 Septambra 2025

Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany… dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra. Hebreo 1:1-2

Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. Hebreo 2:1

 

Mihaino sa manapaka antso ?

Fahiny ela, hono, dia nisy mponina iray tany Boston (Etazonia) notadiavin’ny filoha amerikana hifandraisana an-tariby, saingy nanapaka imbetsaka ny fifandraisana, fa tsy namaly. Tsy afaka nino izy hoe ny filoha mihitsy no te hiresaka taminy ! Nony farany dia naharesy lahatra azy ny mpampita fifandraisana an-tariby, ka afaka nisy ny fifampiresahana.

Misy lehibe lavitra noho io filoha io, miantso antsika tsirairay. „Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho, ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko, ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho”, hoy ny Tompo (Apokalypsy 3:20). Tsy mba manery Izy, fa mitaona kosa. Andriamanitra, Izay nahary ny olona, dia te hanana fifandraisana manokana aminy, te „hiditra ao aminy”.

Ny olona anefa dia afaka misafidy hihaino na tsia, hankatò na tsia. „Misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza… mba hampiala ny olona amin’ny fanaony” (Joba 33:14, 17), izany hoe amin’ny asa ratsiny, amin’ny lalany mandà tsy hiankina amin’Andriamanitra, Izay te hampianatra azy ny atao hoe fahasambarana. Mba mitandrina izany ve isika ? Mba nihaino ny feony mikiry sy feno fitiavana ve ?

Fahiny Andriamanitra dia niteny tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’ireo mpaminany. Avy eo Izy dia niteny tamin’ny zanak’olombelona tamin’ny alalan’i Jesosy Zanany (andinin-tSoratra Masina voalohany etsy ambony). Ankehitriny Andriamanitra dia miteny aminao amin’ny alalan’ny Baiboly, izay tena Teniny. Miteny aminao koa Izy, amin’ny alalan’ity takelaka ity ! Ireo izay tsy te hihaino ny feony mirakitra fahasoavana, dia hahare izany ho fitsarana, satria „Avy ny andro… izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra” (Jaona 5:25). Miangavy anao, aza tapahina ny antso, rehefa miteny aminao am-pitiavana lehibe toy izany Andriamanitra !