Alakamisy 4 Septambra 2025

Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. Ohabolana 19:11

Raha notevatevaina Izy (Kristy), dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina. 1 Petera 2:23

 

Ho an’ireo izay midongy

Sarotra ho ana olona mora tezitra ny miaiky fa izany izy, ary tsy mahatsapa izany akory, matetika. Mihevitra izy fa ny hafa mandrakariva no diso, mihevitra fa izy ireo dia tsy mitady afa-tsy ny hihantsy azy. Raha eo amin’izany toerana izany isika, dia manjary sarotra be ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Manoloana toejavatra nanafintohinana antsika isika dia manjary masiaka, tia mandratra, mora tezitra, na midongy fotsiny izao. Mifikitra amin’ny fandraisantsika ny teny na ny zava-mitranga isika, tsy manova mihitsy ny fijerintsika, ka tsy haintsika intsony ny mifototra amin’ny zavamisy. Io karazana toe-tsaina io dia hita ihany koa eo amin’ny kristiana. Angamba ianao mahatsapa anao ho voasoritsoritr’izany ?

Ahoana no hamahana izany olana izany ? Voalohany aloha, dia mivavaka amin’Andriamanitra. Izy irery no afaka manova ny foko, mba tsy hahatsapako tena ho tsiratsiraina mandrakariva, mba hahafahako misaina kely sy miaina am-pilaminana. Hasehon’Andriamanitra ahy koa ny fototr’ireo fidongiako, dia ny avonavona, ny tsy fijerena afa-tsy ny tenako. Dia ho afaka mitsara io ratsy io aho, ao anatin’ny fahazavan’Andriamanitra, ary avy eo hanaiky hofenoin’ny fitiavany sy handrotsaka izany amin’ny hafa, ao amina fiaina mikatsaka ny soa ho an’ny hafa.

Ndao hihevitra indrindra ny toe-tsain’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjiko, fony Izy tonga olona tetỳ an-tany. Famingavingana firifiry moa no nihatra taminy sy nozakainy tam-paharetana ! Na oviana na oviana Izy tsy mba nanao valinteny manindrona, na nikombona tao anaty fanginana midongy. Tsia, fa nikatsaka mandrakariva ny soa ho an’ireo niresaka taminy Izy, tan-kamoram-po, tam-pahamarinana… hatreo amin’ny hazofijaliana ; nivavaka ho an’ny fahavalony Izy teo, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony…” (Lioka 23:34).