Alarobia 3 Septambra 2025
Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, tany aloha rehetra ; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy. 2 Petera 1:21
Fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. 1 Petera 1:25
Niditra tao an’efitrano fianarana ramatoa mpampianatra, ary nahita tononkalo voasora-tanana nipetraka teo ambony biraony. Tohina izy noho ilay fiheverana azy nasehon’ny mpianany sy ny hakanton’ilay lahatsoratra, ary nahamarika fa voasoratra tamina loko samihafa ny andalana tsirairay.
— Iza no nanoratra ity tononkalo mahafinaritra ity ? hoy izy nanontany, gaga tanteraka. Nanangan-tanana i Nicolas.
— Izaho no nanoratra ny andalana voalohany, tamin’ny penina mena. Dia notohizan’i Yann hoe :
— Izaho no nanoratra ny andalana faharoa, tamin’ny penina manga.
Niomana hilaza ny anjara asa nosahaniny ny mpianatra fahatelo, nefa nampiato azy ny mpampianatra.
— Ny penina miloko no fitaovana nametraka ny teny teo amin’ny taratasy, ary tena mahafinaritra ny vokatra azo. Fa iza no namorona ilay tononkalo ? Iza no mpanoratra azy ? Niara-namaly ny mpianatra rehetra hoe :
— I Léa ! Izy no namorona io tononkalo io, noho ny fitsingerenan’ny andro nahaterahanao, ary izahay rehetra no nanoratra azy.
Olona maro no mihevitra ny Baiboly ho fitambarana lahatsoratra nosoratan’olombelona. Izy ireo anefa dia tsy mahita afa-tsy ireo fitaovana nampiasain’Andriamanitra : Mosesy, nampita ny lalàna ; Davida, ilay mpiandry ondry nanjary mpanjaka sy nanoratra salamo maro ; Matio, ilay mpamory hetra ; Lioka, ilay dokotera ; Jaona, mpanarato tany Galilia… ireto telo farany samy nanoratra filazantsara iray avy…
Raha ny marina, ireo mpanoratra ny boky samihafa ao amin’ny Baiboly dia tsy ireo izay nanoratra azy tsirairay tsy akory. Andriamanitra no nanome tsindrimandry azy ireo, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, mba hanoratany ara-bakiteny ny Teniny. Araka izany, ilay Bokin’Andriamanitra dia fitambarana navondrona ho iray, ary mahatalanjona. Io no Tenin’Andriamanitra ampitainy amin’ny olona, ary mbola miteny amintsika amin’izao taona 2025 izao.