Talata 2 Septambra 2025
Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ny vehivavy sy Maria, renin’i Jesosy, ary ny rahalahiny. Asan’ny Apostoly 1:14
Izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. Asan’ny Apostoly 2:42
Rehefa nahafaka am-polontapitrisa kilaometatra maromaro nandritra ny 7 volana ilay solo olona (robot) „Perseverance” nalefan’ny NASA, dia tonga tany amin’ny planeta Marsa, tamin’ny volana febroary 2021. Izany famelarana fahaizana sy hery ombana fikirizana izany dia mahatery haneho fanajana. Na teo aza ny zava-nanahirana sy ny hamaro singa ilay raharaha, dia nahazo valiny ny faharetana.
Io toetra tsara io dia itaoman’ny Baiboly antsika mba hananana, nefa tsy ampy na tsy misy eo amin’ny fiainantsika, indraindray. Nanatsidika izany ny Tompo Jesosy, niteny tamin’ny mpianany hoe : „Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa” (Jaona 8:31). Mba hananana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy nino Azy. Ary mba hanarahana Azy eo amin’ny lalana navelany ho ohatra ho antsika, dia tsy maintsy maharitra amin’ny fampiharana ny Teniny. Jesosy dia nampanantena fa ho eo anilan’izay mametraka fitokisana aminy. Na izany aza anefa, dia tsy nampanantena fiainana mora Izy. Izy tenany dia efa nandalo fitsapana sy fijaliana. Koa tena ilaintsika ny faharetana. Nahatsapa ireo mpianatra fa nila izany, ary nifampahery araka izany : Paoly sy Barnabasy dia „nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana (na : fijaliana) be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 14:22). Izany faharetana izany dia nipoitra teo amin’ny fiainam-pinoan’izy ireo : „Izay… maharitra… mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany” (Jakoba 1:25).