Alatsinainy 1 Septambra 2025

(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Eo amin’ny lalana tena izy

Very tany afovoan-tanàna i Antoine, izay 6 taona. Dia izy no nanontany ny lalany tamina polisy iray, izay nanazava taminy ny lalana tokony harahiny. Nefa tampoka teo, raha mbola nanazava ilay polisy, dia nitomany izy, feno tebiteby loatra ka tsy nahaino akory ny torolalana. Tamin’izay fotoana izay indrindra no tonga ny mpiara-monina iray, nandray ny tanany, ary nitondra azy niaraka taminy. Reraka loatra ilay zaza, ka notrotroiny hatrany an-trano. Nanoro ny lalana an’ilay zaza ilay polisy ; fa ilay mpiara-monina mihitsy no lalana.

Jesosy no lalana mankany amin’Andriamanitra. Tsy manondro fotsiny ny lalana tokony harahina Izy, fa mandray an-tanana, ho amin’ny fiainany manontolo, ireo izay matoky Azy.

Mety manome torohevitra ny olona hoe : tsy maintsy manao an’itsy na iroa, mandeha atsy na aroa, manatona an-dRanona na Ranona… Ny iraisan’ireny vahaolana maro ireny dia hoe tsy maintsy manetsika ny loharanon-kerin’ny tena manokana. Tsy maintsy manavotra ny tenany. Koa inona àry no hatao rehefa tsy manana hery na herimpo intsony ? Inona no hatao rehefa rikoriko amin’ny fiainana, na amin’ny hafa, na amin’ny tena mihitsy aza ? Tsotra ihany : mandray ny famonjena atolotr’i Jesosy antsika.

Mandray antsika araka ny maha isika antsika Izy, ary mitondra antsika hankany amin’Andriamanitra. Tsy mpitari-dalana na ohatra tokony harahina fotsiny Izy. Izy no Ilay Mpamonjy, Ilay manafaka amin’izay tsy zakantsika sy misahana izany. Ny kristiana dia tsy manan-kery amin’ny alalan’ny tenany samirery. Mahafantatra ny harefony izy, nefa nahita an’i Jesosy, Ilay tena Lehilahy mahery, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay miara-mandeha aminy hatrany am-paran’ny lalan’ny fiainana.