Alahady 31 Aogositra 2025

Rehefa nitsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito. Marka 16:9

(Hoy Jesosy :) Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20

 

Ny andron’ny Tompo

Ireo filazantsara efatra dia samy mitantara zavatra iray mitovy, nitranga tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, taorianan’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana : nitsangana tamin’ny maty Jesosy Kristy. Tamin’io alahady io ny Tompo, Izay velona, dia nifanena tamina mpianany maro.

— Nifanena tamin’i Maria Magdalena aloha Izy, Maria nitomany ny Tompony maty, teo akaikin’ny fasana. Nampiononin’i Jesosy izy, ary nirahiny hitondra hafatra mahatalanjona hoe : „Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17).

— Io vehivavy io ihany, niaraka tamina Maria iray hafa, dia nihazakazaka nankany amin’ny mpianatra mba hanambara tamin’izy ireo ny vaovao mahafaly hoe nitsangana velona indray Jesosy. „Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe : Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany” (Matio 28:9).

— Nisy mpianatra roa lahy niala tany Jerosalema, nalahelo fo. Teny an-dalana dia nanatona hiaraka taminy Jesosy, ary niresaka taminy. Taoriana kely dia nanambara izy ireo hoe : „Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy, ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?” (Lioka 24:32).

— Ny harivan’io andro io dia nivory ny mpianatra, ary na nanidy varavarana aza izy ireo, dia niseho tampoka teo afovoany Jesosy ary niteny taminy hoe : „Fiadanana ho anareo”. Azony tamin’ny fahafatesany izany fiadanana izany mba ho azy ireo, sy ho an’izay rehetra mino Azy koa. Dia feno hafaliam-be izy ireo (Jaona 20:19-21).

Nitady ny fiarahana tamin’ireo izay Azy ny Tompo, tamin’io alahady io. Ho setrin’izany, mivory manodidina Azy, ny alahady, ireo izay tia Azy, mba hahatsiaro ny sarany naloany teo amin’ny hazofijaliana, sy ny fandreseny ny fahafatesana.