Asabotsy 30 Aogositra 2025

Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha te hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Genesisy 2:9

Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina. Apokalypsy 22:14

 

Ny hazo ao amin’ny Baiboly (2)

Hazo roa mirakitra zava-miafina

Ireo pejy voalohany ao amin’ny Baiboly dia miresaka amintsika ny saha Edena, nisy teo afovoany ny hazon’aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, tsy tokony hohanin’ny olombelona ny voany.

Ireo hazo roa ireo dia mirakitra zava-miafina, ary manana hevitra famantarana. Tsy resahina intsony ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, aorianan’ny toko faharoa sy fahatelon’ny bokin’ny Genesisy. Ny hazon’aina kosa dia resahina indray ao amin’ny Ohabolana, ho kisarisarin’ny fahendrena (3:18), ary ao amin’ny Apokalypsy (7:14), hilazana fa ny voany dia nampanantenaina ireo izay manasa ny fitafiany mba hiditra ao amin’ny tanànan’Andriamanitra. Rehefa manasa ny fitafiana, dia tsy maintsy mijery ireo tasy, izany hoe mahatsapa ireo fahotan’ny tena. Raha miaiky ireo amin’Andriamanitra isika, ary mino fa Jesosy efa nitondra ny sazin’ireo, dia mahazo ny fiainana mandrakizay resahin’ny hazon’aina.

Momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy kosa, dia norarana tsy hohanina ny voany, mba hametrahana ny olona ao amina fifandraisana misy fatokiana, andraikitra, ary fanajana Ilay Mpahary azy. Rehefa nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy Eva dia nametraka ny tenany ho ambony noho Andriamanitra, te hanapa-kevitra samirery ny amin’ny hoe tsara sy ny hoe ratsy : notapahin’izy ireo ny fifandraisana taminy, ka niseho ny fahafatesana.

Ny tohin’ny Baiboly dia milaza izay nataon’Andriamanitra mba hanarenany io fahatapahan’ny fifandraisana io, mba hamonjeny ho afaka amin’ny fahafatesana ireo izay te hatoky Azy sy mino Azy. Tao Edena mihitsy no nanombohan’io tantara io, tao no nametrahan’Andriamanitra ny fanontaniana tamin’i Adama hoe : „Aiza moa ianao ?”, fanontaniana miantefa amintsika tsirairay koa, mandraka ankehitriny : „Aiza moa ianao ? Aiza ho aiza ny fiarahanao amin’Andriamanitra ?”