Zoma 29 Aogositra 2025
Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 16:24
„Tamin’izaho tonga tao amin’ny efitrakely tao amin’ny fonja, dia niarahaba ny voafonja aho nanao hoe :
— Fiadanana ho anareo ! Nanontany ahy ny iray tamin’izy ireo hoe kristiana angaha aho, ary novaliako eny. Nangatahiny aho hanaporofo izany. Ny iray hafa nanampy hoe :
— Faraidiny amin’ny fiarahamonina izahay. Tsy manana na sigara aza. Raha manome anay izany ny Andriamanitrao, dia hino Azy ihany izahay.
Namaly aho hoe ny tenantsika dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, ary fanimbana azy ny mifoka, nefa Andriamanitra, Izay tena tia azy ireo, araka ny hevitro, dia vonona hanome azy ireo sigara, ho mariky ny famindrampony. Avy eo aho dia nangataka azy ireo hitsangana, mba hiara-mivavaka. Nihomehy aloha ireo niara-voafonja tamiko, nefa nangina tam-panajana kosa rehefa nanomboka nivavaka aho.
Marobe izahay tao anatin’io efitranokely io, nefa dia nanjaka tao ny fanginana. Nivavaka nandritra ny fahefatr’adiny izahay ; avy eo dia nilaza aho fa vita ny vavaka ka afaka mipetraka izy ireo. Tamin’izay indrindra dia nisy mpiambina namoha ny varavarana, nanipy fonosan-tsigara iray.
Niantsoantso ireo voafonja, nanao hoe : Misy Andriamanitra ! Misy Izy ! Ary tamin’izay fotoana izay, dia takatro fa niteny tamiko koa Andriamanitra. Niteny tamiko Izy hoe misy asa anirahany ahy ao amin’io fonja io. Toy izany no nanombohako ny fiainana tao ; niafina tao ambadiky ny rindrin’ny tontolon’ny fonja aho, nefa tsy niafina tamin’Andriamanitra. Tao amin’ny tsy fiovaovany, Izy dia naneho ny tenany tamin’ireo voaheloka ho faty manoloana antoko-miaramila mpitifitra, ary tsy niandrandra famantarana fampanantenana intsony. Jesosy no hanjary fanantenana ho azy ireo, ho Mpamonjiny, ho sakaizany.”
(Alexander Ogorodnikov)