Alakamisy 28 Aogositra 2025
(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Romana 12:18
Toa tanjona tsy hay tratrarina izany ! Mangovitra izao tontolo izao isanandro, manoloana ny antontam-baovao ratsy : famelezana, krizy ara-pahasalamana na ara-toekarena, ady… Toa voasarika ho amina fitotonganana tsy hay arenina ara-batana sy ara-toe-panahy izy, ary toa tsy misy na inona inona afaka hampijanona izany !
Nefa endre ! Ny nahaterahan’i Jesosy dia nambara tamin’ny antso mafy hoe : „Fiadanana etỳ ambonin’ny tany” ! Tonga tetỳ an-tany Izy, noho ny fitiavany tena lehibe, mba hampisy fiadanana eo amin’Andriamanitra sy isika, mba handray ao amin’ny tenany ny fahamelohantsika manontolo, ary mba hampihavana antsika amin’Andriamanitra. Nataony izany, tamin’ny nanonerany ny fahotantsika tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 1:20). Raha mino aho fa maty ho ahy Jesosy, dia mandry ny fieritreretako. Omeny fiadanana aho ankehitriny, eo amin’ny fiainako andavanandro, fiadanana mameno ny fo.
Isika tsirairay manokana ve mba efa nandray io fiadanana io ? tam-patokiana, miantehitra aminy, ary resy lahatra ny amin’ny fitiavany sy ny fahendreny.
Farany, taomin’i Jesosy isika hampisy fihavanana eo amin’ny manodidina antsika, sy hikatsaka izany. Hay hatao tsara izany ny manam-piadanana ! Ary ny mitondra fiadanana eo amin’ny manodidina ny tena dia adidin’ireo izay manana Ilay „Andriamanitry ny fiadanana” (Romana 16:20). Tsy hanova izao tontolo izao isika. Nanomboka tamin’ny niodinan’ny zanak’olombelona tamin’Andriamanitra, dia tsy maintsy mpanonofy antoandro vao hihevitra fa hihatsara izao tontolo izao, satria tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Nefa isika afaka mampita sy tokony hampita ny hafatra mahatalanjona nentin’i Jesosy, Izay „nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra, ary fihavanana tamin’izay akaiky koa” (Efesiana 2:17) ! Raha atao bango tokana, dia amin’ny olona rehetra, izany hoe aminao koa !