Alarobia 27 Aogositra 2025

Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana ; Jehovah ô, miantso Anao isanandro aho, mamefy tànana aminao aho. Salamo 88:9

Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao ; nomenao fahasahiana aho, ka nisy hery ny fanahiko. Salamo 138:3

 

Tezitra amin’Andriamanitra

Nanana zanaka vavy kely i Fabrice sy Marie. Maty izy io rehefa herintaona sy tapany. Nanomboka tamin’izay dia teo ny fahabangana, tao anatin’ny fon’izy ireo lalina, banga tsy hay nofenoina. Isanandro izy ireo dia niady mba hahazaka izany fangirifiriana izany. Ahoana moa no inoana fa misy Andriamanitra, rehefa miaina fahoriana toy izao ? Ary na mieritreritra aza hoe misy angamba Andriamanitra, ahoana no tsy ho tezitra aminy, aoriana-na famoizana mampihoron-koditra toy izany ?

Na tsy niaina zava-doza toy izany aza isika, na mpino aza, dia angamba efa nahazo antsika ny hoe tezitra tamin’Andriamanitra.

Izaho, izay mpino, dia efa niharan’izany. Nivavaka aho mba hahazo zavatra iray. Resy lahatra aho hoe nampanantena ahy Andriamanitra fa hanome izany ahy. Natoky Azy aho, natoky ny heriny… saingy tamin’ny indray mipy maso dia nirodana ny zavatra rehetra. Dia tezitra tamin’Andriamanitra aho. Nahoana Izy no tsy namaly ny vavaka nataoko ? Nahoana Izy no tsy te hampahasambatra ahy ?

Tsy maintsy nanaiky aho, tao anatin’ny fahoriako, hoe tsy mitovy amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fahitako ny atao hoe fahasambarana. Voafetra sy ampahany ihany ny fomba fiheverako ny atao hoe fiainana sambatra. Nisy sehatra tsy hita maso, maharitra mandrakizay, andraisan’ny fitiavana sy ny fifaliana heviny vaovao, miaraka amin’Andriamanitra. Toy ny hoe ny fitiavana sy ny fifaliana fantatro hatramin’izao, nefa nolavina tampoka tsy ho ahy, dia santiona-na fitiavana sy fifaliana lehibe lavitra. Nitony ny hatezerako, ary hitako fa ny tanan’Andriamanitra nampahory ahy dia tanam-pitiavana, tanan’Iay Andriamanitra tia ahy mihoatra noho izay afaka nisaintsainako azy.