Talata 26 Aogositra 2025

Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy sy ny voninahitro ; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’Andriamanitra. Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:7-8

 

Voaro ao anaty manda kely hoe ?

Misy orinasa amerikana iray, manova toeram-pialofana miaro amina fipoahana nokleary fahiny ho trano fonenana mirenty. Amin’izany izy dia miomana hisoroka izay toejavatra rehetra mety hitranga : fanafihana ara-nokleary, loza ara-tsimika manambana, na koa fipoahan’ny masoandro tena goavambe. „Izahay tsy afaka manakana loza, nefa kosa afaka miaro anareo amin’izany”, hoy ny teny filamatr’ilay orinasa.

Tsy isalasalana fa miha mampitebiteby kokoa hatrany ny fiainana. Mirehareha ny olombelona amin’ny fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknika, nefa mahatsapa ihany koa fa voam-pasika iray dia afaka hampihozongozona ny firindran’ny fiarahamonina misy antsika, firindra marefo. Aiza no hahitana fialofana azo antoka, raha misy korontana ?

Resahin’ny Baiboly antsika i Davida mpanjaka, izay nandositra an’ireo fahavalony, ary nampitaha tena amina tsipoy hazaina eny an-tendrombohitra. Niaraka tamin’ireo namany nanaraka azy izy, niafina tao anaty zohy, tany an-taniefitr’i En-jedy. Tany izy no nanoratra hoe : „Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô… fa Ianao no ialofan’ny fanahiko ; eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasa ny loza” (Salamo 57:1). Tsy ilay zohy no tena fialofany, fa Andriamanitra, Izay nitokiany. Ilay Andriamanitr’i Davida no torinay : Ilay Avo indrindra sy Tsitoha, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. Ilay nampiseho ny fitiavany tamin’ny nanomezany ny Zanany hamonjy antsika. Ilay te hanasoa ny olona tsirairay koa, na dia izay ao anaty toejavatra mahatorovana aza. Tsara lavitra noho ny zohy, na toeram-pialofana miaro amina fipoahana nokleary, na manda kely, „ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy ; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy” (Ohabolana 18:10).