Alatsinainy 25 Aogositra 2025
Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ny tsy fahalalana ? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. Joba 42:3
Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Jaona 6:63-64
Vao tsy ela dia nisy gazety-boky mpanatsotra fahalalana ara-tsiansa mba ho takatry ny besinimaro, nanoratra fa misy lavaka mainty tena hafahafa tsikaritra tany amin’ny vahindanitra tany, „mafonja loatra” ka tsy mifanaraka amin’ireo rijan-kevitra manan-kery ankehitriny, ary mety ho avy amina sehon-javatra mbola tsy fantatry ny mpahay siansa. „Arakaraka ny ahafantarantsika ny momba ireo lavaka mainty, no mampihamahalana ireo fahazoantsika antoka”, hoy ny namintinan’ilay lahatsoratra azy.
Ireo zavatra fantatry ny olombelona dia mitoetra ho voafetra. Imbetsaka izy no tsy maintsy miaiky ny tsy fahalalany.
Izay olona manampahaizana indrindra dia mila averina eo amin’ny haavo tandrify azy, miohatra amin’Andriamanitra sy ireo fiheviny. Tsy maintsy nampahafantarin’Andriamanitra an’i Joba, izay nitady hifandahatra taminy, izany : „Mahavòna ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy ?… Fantatrao va ny lalànan’ny lanitra ?” (Joba 38:31, 33). Mba te hampiseho amintsika Andriamanitra fa zavaboary voafetra isika, ary miankina tanteraka aminy. Hoy ny apostoly Paoly : „Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika” (Asan’ny Apostoly 17:28). Eo ambany fifehezany ny fisiantsika manontolo, na tiantsika izany na tsia. Vovoka fotsiny isika, nefa tian’Andriamanitra. Mba tiany hiaraka aminy any an-danitra. Ho amin’izany dia nomeny antsika ny Zanany. Nandray an-tanana ny momba antsika Jesosy, maty teo amin’ny hazofijaliana Izy mba hahafahan’Andriamanitra mamela heloka sy mandray antsika. Koa ireo izay manana fanetrentena hino izany dia mahalala ny tena zava-dehibe, izay mamaritra ny hoaviny mandrakizay.