Alahady 24 Aogositra 2025
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 1 Korintiana 1:3
Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tombontsoa maimaimpoana, tsy mendrika ho antsika, tsy mety ritra, nefa manome antsika ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay, raha toa isika mino an’i Jesosy Kristy, Ilay hany Mpamonjy, Ilay Mpamonjy tokana. Ary izany dia tombontsoa afaka sitrahin’ny olona rehetra. „Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:23-24). Koa ny teny hoe „fahasoavana” dia mifamatotra akaiky amin’io fahalalana fototra ivon’ny finoana kristiana io, dia ny famonjena.
Nefa io teny io dia manondro koa fahamarinana fototra iray eo amin’ny fiainam-pinoantsika. Ny fahasoavana dia manafaka antsika amin’ny fahamelohana, fisalasalana, famoizampo. Manafaka ihany koa amin’ireo didy sy adidy teren’ny fivavahana samihafa hotanterahina. Mihazona antsika ao anatin’ny fanetrentena sy ny fiankinana amin’Andriamanitra. Ny apostoly Paoly, izay nijaly tao amin’ny vatany noho ny kilema iray tsy nesorin’Andriamanitra taminy, dia naharay tamin’ny Tompo ny teny hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).
Ny fahasoavana dia mitondra fahazoana antoka sy fanantenana ho an’ny mandrakizay : „Andriamanitry ny fahasoavana rehetra… no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo” (1 Petera 5:10).
Marina fa niseho tamin’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika ny fahasoavan’Andriamanitra (Titosy 2:11), nefa dia havaozina ho antsika isanandro koa. Izay rehetra ananantsika, izay maha isika antsika, dia avy amin’ny fahasoavany avokoa.