Asabotsy 23 Aogositra 2025
Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin’ny famaky ny hazo eo ; fa hisy hohaninao amin’ireo. Deoteronomia 20:19
Dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy… Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy. Salamo 96:12-13
Ny Amazônia no ala lehibe indrindra eto an-tany, amin’ny velarany sy ny hamaroan’ny karazana zavamaniry sy biby ao aminy. Izy koa no tamba-tontolo iainana tandindomin-doza indrindra eto amin’izao tontolo izao, noho fandripahana ala goavana nitranga tao anatin’ireo ampolontaona farany. Nanomboka tamin’ny taona 1970 ka hatramin’ny 2018 dia nihena 20% (ampahadiminy) eo ho eo ny velaran’ny alany.
Na tsy ao amin’ny Baiboly aza ny fiteny hoe „haitontolo iainana”, dia afaka marihintsika ny baiko nomena an’i Adama mba hitandrina ny saha (Genesisy 2:15) sy ny torohevitra mba hanajana ny hazo (andinin-tSoratra Masina voalohany androany).
Izany baiko sy torohevitra izany dia voalaza ihany koa ao amin’ireo lahatsoratry ny Baiboly mampahatsiahy ny hoavy, ilay hoavy-na tany nampodina amin’ny laoniny eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, rehefa hanjaka ao Izy. „Dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala”, izany hoe handray anjara amin’ny fiderana manerantany an’i Kristy.
Nefa ny hazo tsy eo amin’ny fiandohana sy fiafaran’ny tantaran’ny zanak’olombelona fotsiny. In-160 eo ho eo ny Baiboly no miresaka momba azy ireo, tsy isaina ny teny hafa milaza ireo karazana maro samihafa, toy ny vahona, sedera, aviavy… ary koa ny hazo fihinam-boa toy ny aviavimbazaha, ampongabendanitra, voaloboka, amygdala, oliva, paoma… Ny hamaroan’ireo karazana ireo ve tsy efa milaza amintsika sahady ny halehiben’Ilay Andriamanitsika ?
„Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô ! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra ; heniky ny zavatra nataonao ny tany” (Salamo 104:24).
Takelaka maromaro no hiompana amina lahatsoratra ao amin’ny Baiboly miresaka hazo, ary hiezaka isika, ao amin’ireo lahatsoratra ireo, hahita izay tian’Andriamanitra holazaina antsika ho an’ny fiainantsika ankehitriny.
(isaky ny asabotsy ny tohiny)