Zoma 22 Aogositra 2025
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hampatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 1 Jaona 3:19-20
Na zanak’Andriamanitra aza isika dia mety ho lavo ao amina fahotana, ka ho kivy noho izany. Midika ve izany fa nitsahatra tsy tia ny Tompo Jesosy intsony isika, ka very zo hitondra ny anarany ? Mazava fa tsia. Mazava ho azy fa tokony hahatsapa ny fahotantsika sy hiaiky izany amin’ny Tompo isika, mba hampiverina antsika indray ao amina fifandraisana mahatretrika aminy. Ary manaraka izany, isika dia nantsoina hametraka ny zava-drehetra eo ampelatanan’Ilay Andriamanitsika, Izay „lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra”. Mahatakatra tanteraka ny mahazo ny zanany Izy, ary afaka mamonjy antsika.
Tsaroanao ve ilay resaka nampanohina fatratra teo amin’ny Tompo nitsangana velona indray sy i Petera nandà azy tan-kanosana, ny hariva nitsarana Azy ? Intelo i Petera no nanamavo ny Tompony teo anatrehan’ny olona, nanao teny fiozonana tsy mendrika. Ary izao Jesosy dia manontany azy intelo koa, momba ny fitiavany Azy. Nony farany i Petera, voakasika tao amin’ny aty fony lalina, dia namaly hoe : „Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra ; fantatrao fa tia Anao aho” (Jaona 21:17). Eny, na teo aza ny zava-drehetra nitranga, dia fantatr’i Jesosy tsara fa tia Azy ilay mpianany.
Mandraka androany, na eo aza ny tsy fahampiana hery eo amintsika, dia fantatr’i Jesosy fa tena izy ny fitiavantsika Azy, ho antsika izay mino Azy. Feno fankasitrahana isika, manana Tompo mahatakatra ny momba antsika sy manohana antsika mandritra ny fiainana maha kristiana antsika. Ny fitiavany antsika tokoa mantsy dia tsy miankina amin’ny maha isika antsika na amin’izay ataontsika. Ny fitiavany dia miaraka amintsika mandra-pahatapitry ny fiainana maha kristiana antsika.