Alakamisy 21 Aogositra 2025
(Hoy Jesosy :) Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo (mpitarika ara-pivavahana) ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 5:20
Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11
Any amin’ny tany tandrefana dia samy manaiky ny rehetra hanameloka ny fizirizirin-tsaina sy hitory ny fandeferana. Ary averimberina lalandava ny hoe : „Mitovy avokoa ny fivavahana rehetra, rehefa arahina an-kitsimpo.” Mitovy tokoa izy rehetra, amin’izy ireny tsy misy na iray aza, ahafahana manana fifandraisana tena izy amin’Andriamanitra. Tsy afaka hahitantsika an’Andriamanitra mantsy ny fampianarana ara-pivavahana ekentsika, na ny fitambaran’ny fombafomba fanao ara-pivavahana mety harahintsika, na koa fiainana tsy misy tsiny eo imason’ny mpiara-belona amintsika.
Nisy tovolahy iray, tamin’ny andron’i Jesosy, nanana fiainana ara-toe-panahy tena niavaka sy toetra ivelany tsy azo nokianina. Tsy nanao ratsy tamin’iza na iza izy : afaka miteny toy izany ve isika ? Nitandrina ny didin’Andriamanitra hatry ny fony mbola kely izy : nanao izany ve isika ? Nefa io tovolahy io, nanahy momba ny hoavin’ny fanahiny, dia nanontany an’i Jesosy hoe : „Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay ?” Tsaroanao angamba ny tantaran’io tovolahy resahin’ny Filazantsara io (Marka 10:17-27) : voahazon’ny harenany izy, ary nandà tsy hanaraka an’i Jesosy ka niala tamin’alahelo.
Ary hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy, lehilahy mpivavaka iray : „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:3). Io aim-baovao io dia omen’i Jesosy ho an’izay mino : „Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47).
Koa ny ilaintsika rehetra izany dia tsy fitsipi-piainana, na fivavahana, fa Mpamonjy : „Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15).