Alarobia 20 Aogositra 2025

Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy. Filipiana 2:21

Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10

(Hoy Andriamanitra :) Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko… Dia efa nidina Aho izao hamonjy azy. Eksodosy 3:7-8

 

Tsy mahaliana ahy izany !

Impiry moa aho no nahare io valinteny io, rehefa nanolotra alimanaka ara-Baiboly tahaka ity vakinao ity !

Samy manana ny zavatra mahaliana azy ny olona tsirairay : famakina boky, fandehanana mitety tany, hambompo ao amin’ny asa fivelomana, sns. Tsy resahina akory ny filàna iankinan’aina toy ny hanina sy ny fonenana tsy maintsy tadiaviny mba hanomezany fahafaham-po ny tenany sy ny ankohonany. Ireny zavatra rehetra ireny dia manana toetra iraisana : samy momba ny fahafinaretantsika eto an-tany avokoa, ary ndao hiaiky fa matetika izy ireny dia mifantoka amin’ny tenantsika, ny zava-mampiadana, ny „izaho”-ntsika, ka mitarika antsika tsy hiraharaha „ny hafa”. Nefa ve izy ireny mahafa-po ny faniriantsika lalina hanana fahasambarana, fiadanana anaty, ary hoavy mampilamina aorianan’ny fahafatesana ?

Tsy azo ihodivirana ny lazain’ny Baiboly hoe : „Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra” (Romana 3:11) ; „Samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra” (Isaia 53:6). Nefa manambara amintsika vaovao tena mahafaly koa izy : liana Andriamanitra ny amin’ny tsirairay, ny aminao, ny amiko ! Jereny am-pitiavana sy am-pangorahana ity zanak’olombelona tsy miraharaha ny Mpahary azy. Tena nihevitra azy aoka izany Izy, ka mba nanaiky hidina teto amin’ny planeta tany, tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy Zanany, 2000 taona lasa izay. Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota, Jesosy dia nampihavana amin’Andriamanitra ireo rehetra mino Azy (mino an’i Jesosy). Noho izany Andriamanitra dia namafa ny fahame-lohan’izy ireo, nanisy ao am-pon’izy ireo ilay hafaliam-be noho ny maha zanany azy ireo, ary nampanantena azy ireo fahasambarana mandrakizay miaraka aminy any an-danitra.

Ianao ve tsy mba liana ny amin’Andriamanitra mihevitra sy tia anao toy izany ?