Talata 19 Aogositra 2025

Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. 1 Korintiana 6:20

 

Tompon’ny aina sy ny fahafatesana

Napetraka tamin’olona iray mankasitraka ny fanampiana hamono tena ny fanontaniana hoe : „An’iza ny tenanao ?” Hoy izy namaly : „Ahy, ary ahy irery. Tsy ana fiangonana, na ana antoko pôlitika, na an’ny tontolom-pitsaboana. Hatramin’ny nahaterahako aho dia olom-pirenena afaka. Tsy mihevitra hanova na inona na inona momba izany aho, ary tsy manaiky horesen’ny dokotera na ny fianakaviako lahatra.”

Ny olona tsirairay dia mihevitra hoe afaka manao izay tiany hatao amin’ny ainy, ary tsy misy na iza na iza tokony hanana fahefana amin’ny ain’olona hafa. Nefa misy zavatra iray loha, lavin’ny olona maro, dia ny hoe Andriamanitra no nanome antsika ny aina, ka tsy maintsy hampamoahiny momba izany isika indray andro any.

Ny olona tsirairay dia noarìn’Andriamanitra, Izay nahafantatra azy talohan’ny nahaterahany : „Voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza” (Salamo 139:16). Andriamanitra ihany koa no manendry ny andro hahafatesantsika : „Jehovah no mahafaty sy mahavelona” (1 Samoela 2:6).

Ny kristiana ametrahana io fanontaniana io dia afaka mamaly hoe : „An’Andriamanitra ny tenako, tahaka ny fanahiko sy ny saiko koa. Tamin’ny nanaovany sorona ny tenany teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nividy ahy ho an’Andriamanitra. Ny andraikitra momba ny fahelan’ny fiainako sy ny fotoana hahafatesako, dia avelako amin’Andriamanitra, Izay hendry lavitra noho izaho ary tia ahy. Fantatro fa indray andro any ny vatako mety maty dia hovaina ho vatana feno voninahitra. Eo am-piandrasana izany dia tsaroako fa tsy ahy intsony ny tenako, fa an’i Kristy, ary maniry hiaina mba ho Azy aho.”