Alatsinainy 18 Aogositra 2025
Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. Ary noraisiny (Petera) tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany ; dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana. Asan’ny Apostoly 3:6-8
Sitrana tamin’ny fomba mahagaga ity lehilahy malemy nangataka, tany Jerosalema. Nanambara izany avokoa ny vavolombelona rehetra. Nefa tsy noho ny heriny manokana no nahatanterahan’ny apostoly Petera sy Jaona io fahagagana io. Nohazavainy fa ny nanao izany dia ny herin’i Jesosy, Ilay nanao soa maro, nefa novonoina ho faty taloha kelin’izany.
Faly ilay mpangataka, satria salama indray. Ary io fahasitranana io dia nisy akony teo amin’ny mponin’i Jerosalema manontolo. Porofo mahery vaika izany, fa Ilay Lehilahy antsoina hoe Jesosy dia tsy nijanona tao amin’ny fahafatesana, fa nitsangana velona indray.
Afaka nilaza marimarina ireo apostoly, sy olona maro hafa, fa nahita Azy nitsangana velona indray ; ary izao fahasitranan’ilay lehilahy nalemy izao dia nanamafy fa tena nitsangana velona tokoa Jesosy Kristy. Na tsy teto an-tany intsony aza Jesosy, dia niasa tamin’ny anarany i Petera sy Jaona. Izany no porofo, araka ny nambaran’i Petera, fa noraisin’Andriamanitra any an-danitra Jesosy ary nomeny voninahitra. Koa voamarina teo anatrehan’izao tontolo izao io toejavatra tsy hay hazavaina io (Asan’ny Apostoly 3:12-16).
Niteraka vokatra goavana ho an’ny zanak’olombelona manontolo izany. Nohomboan’ny olona teo amin’ny hazofijaliana ny Zanak’Andriamanitra fahiny, nefa kosa notendren’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty (Asan’ny Apostoly 10:42). Na izany aza, ny andinin-tSoratra Masina manaraka dia milaza amintsika hoe : „Amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka”. Araka izany dia misy fanontaniana fototra mipetraka, hoe : ekentsika ve fa nitsangana ho velona indray Kristy, ary fantatsika ho Ilay Mpamonjintsika ?