Alahady 17 Aogositra 2025

Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona ; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. Isaia 44:22

… Nanavotana anareo… ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina. 1 Petera 1:18-19

 

Tasy tsy hay fafàna

Matetika isika dia sahirana amina asa fanadiovana : misasa tanana, manala vovoka, manadio fiara, fahitalavitra, manasa lamba… miady amin’ny loto avokoa ny olona rehetra.

Fa misy kosa tasy tsy hay esorina —na toy inona na toy inona ezaka atao-, dia ny tasin’ny ota. Miezaka manarona azy io ny olona, amin’ny endrika ivelambelan’ny sivilizasiona sy ny akanjo ivelan’ny fanaovana asa soa, nefa dia mbola mijanona ao anatin’ny fon’ny zanak’olombelona izy io, hitan’Andriamanitra ao, amin’ny haratsiny manontolo. Tsy misy olona afaka mamafa ny ota, ho sasa-poana raha manandrana. Andriamanitra dia manambara hoe : „Fa na dia misasa sirahazo aza ianao, ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany” (Jeremia 2:22).

Andriamanitra irery ihany no mahay manala ny ota, ary manao izany amin’izay miaiky ny toetra maha mpanota azy, toy ity lehilahy niantso mafy hoe : „Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota” (Lioka 18:13).

Tsy afaka manao na inona na inona ny olombelona ; efa nataon’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nefa sarany toy inona moa no tsy maintsy nefainy mba hanesorana ny ota ! Tsy niaro ny Zanany Lahitokana Izy, fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra (Romana 8:32). Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, Ilay hany marina, dia tsy maintsy niteny hoe : „Nahazo ahy ny heloko” (Salamo 40:12). Izany dia ny fahotako nentiny teo amin’ny tenany ary nofoanany ; satria „ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).

Raha toa aho manao tsinontsinona izay nataon’i Jesosy ho ahy, dia tsy ho voavela heloha. Fa raha manaiky kosa fa voadio tanteraka tamin’ny fahadisoako rehetra, noho ny sorona nataony, dia afaka mandroso eo amin’ny fiainana, am-patokiana sy fankasitrahana.