Asabotsy 16 Aogositra 2025

(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24

 

Maharitra miandry Andriamanitra

Ny fahalalana ara-tsiansa ankehitriny sy ny fandrosoana vokatr’izany dia tsy mahasakana ity tontolo misy antsika ity tsy hijaly. Valan’aretina, fahalotoan’ny rivotra iainana, asa fampihorohoroana, ady, fahavetavetana… Mitombo arakaraka ny fizotran’ny fotoana ny zava-manahirana, na dia ahitana vahaolana ao amin’ny fandrosoana ara-teknika na ara-tsiansa aza ny sasantsasany amin’ireo. Toejavatra mampalahelo maro no mitranga eo ambany masontsika. Dia mbola hanampin-tsofina amin’ny feon’Andriamanitra ihany ve isika ?

Tsy miova anefa ny fitiavan’Andriamanitra, tiany olona rehetra, ary tsy tiany hanimba tena amin’ny herisetra. Koa avelany hitranga ireo sakana, tohana ary hisatra, mba hanakanany ny haben’ny fikorontanana.

Mahari-po Andriamanitra (2 Petera 3:9). Andrasany ny olona hiaiky fa avy ao amin’ny fony, avy amin’ny toetra ratsy maha izy azy ny zavatra rehetra mitondra azy ho amin’ny ratsy, ho amin’ny fijaliana. Tamin’ny fotoanan’ny Safodrano, dia ireo izay niditra tao amin’ny sambofiara namboarin’i Noa ihany no voavonjy. Ankehitriny Andriamanitra dia manolotra maimaimpoana ny famonjena ho an’ny olona rehetra, na iza izy na iza miaiky fa very ary mino fa Jesosy Kristy no Mpamonjy. Very aho… ka vonjen’i Jesosy, ataony tsara aro. Omeny ny fiainana mandrakizay izay olona mitoky aminy, araka izay maha izy azy io olona io. Toetra vaovao no monina ao amin’ny fanahin’izay mitodika amin’ny Mpamonjy. Jesosy no hany lalana ivoahana amin’ny haizim-pito, amin’ny fiainana tsy misy an’Andriamanitra, fiainana mamaritra ny zanak’olombelona. Izay mitoky aminy dia „tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”.