Zoma 15 Aogositra 2025

Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra, ka tsy mahita marina ; fa rahatrizay dia mifanatrika ; ankehitriny sombintsombiny no fantatro ; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara, toy izay nahafantarana ahy. 1 Korintiana 13:12

 

Ankehitriny… fa rahatrizay !

Ny teny androany dia miorina amin’ny fifanoheran’ny „ankehitriny”, manondro ny fandalovan’ny kristiana eto an-tany, sy ny „rahatrizay”, mifandraika amin’ny hoaviny any an-danitra sy ho mandrakizay. Ny „rahatrizay” dia ilay fotoana hampiakarana any an-danitra ny kristiana rehetra, sy hiarahany amin’ny Mpamonjiny.

„Ankehitriny” isika dia mijery toy ny mizaha manjavozavo eo amina fitaratra. Efa mahita sahady an’i Jesosy isika, amin’ny finoana (Hebreo 2:9). Nefa io fahitana io dia mbola manjavozavo, toy ny eo amina fitaratra matroka, manome sary tsy mazava. „Fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ny Tompo (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana)” (2 Korintiana 5:6-7). „Rahatrizay”, ny finoana dia hisolo fahitana, hahita Azy „mifanatrika” (1 Korintiana 13:12) isika, hitolagaga ary „ho tahaka Azy” (1 Jaona 3:2).

„Ankehitriny” isika dia mahafantatra „sombintsombiny” (1 Korintiana 13:9) koa. Ampahany ny fahatakarantsika ireo zavamisy any an-danitra, satria voafetra isika ao amin’ny vatana, ny saina, ary ny fahafaha-manao sy fahaizana. „Rahatrizay” isika dia hahafantatra tanteraka, toy ny nahafantarana antsika. Talohan’ny nandaozan’i Jesosy ny olony, dia nanambara mazava Izy hoe : „Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Ho sambatra tsy misy fiafarany isika, rahatrizay mahafantatra tanteraka ny Ray sy ny Zanaka, Izay mahalala antsika !

Ny toejavatra iainan’ny kristiana ankehitriny dia afaka oharina amin’ny toetran’ny fanday, izay voatery mandady amin’ny tany. Nefa rehefa manjary lolo izy dia hahita ireo toerana midadasika izay tsy fantany teo aloha, ary tsy hainy novinavinaina teo amin’ny toerana naha fanday azy !