Alakamisy 14 Aogositra 2025
Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanimboaloboka… Nihary volafotsy sy volamena koa aho… Dia efa nisandratra… aho… Indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. Mpitoriteny 2:4-11
Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (izay rehetra mino). Romana 3:24
Iza no afaka handà ny fitombon’ny fangejan’ny vola eto amin’izao tontolo izao ? Entam-barotra ary vidina vola avokoa ny zavatra rehetra. Ny vola dia ahafahan’ny olombelona manatanteraka ny faniriany rehetra, na izay mendrika indrindra na izay ratsy indrindra. Ny fahombiazana olona iray ve tsy refesina amin’ny vola miditra aminy sy ny fananany ?
Nefa misy fananana tsy hay refesina amin’ny vola. Afaka mividy trano amin’ny vola ianao, fa tsy afaka mividy tokantrano sambatra ; afaka manana fiantohana aina, fa tsy manana na inona na inona handresena ny tahotra ny fahafatesana ; afaka mihinana fanafody fampitoniana, fa tsy afaka hanana fiadanam-po ; afaka miaina anaty zava-mampiadana, fa tsy hanana fahasambarana ; afaka manana mpisolovava, fa tsy afaka hanana Mpamonjy ; afaka manana toerana andevenana ny tena, fa tsy afaka hanana toerana any an-danitra. Ny fitaovam-pifanakalozana mety simba dia tsy ahazoana afa-tsy zavatra mety simba. „Ny harenareo efa simba… Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina” hoy ny apostoly Jakoba (5:2-3).
Tsy misy afaka mividy ny tena harena, ny hany harena maharitra, nefa afaka mandray izany maimaimpoana. Ny famonjena ny fanahy, ny famelan-keloka, ny fihavanana amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay, dia omena anao maimaimpoana, na manankarena ianao na mahantra. Andriamanitra, Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy mijery izay anananao. Nefa tiany ianao hiaiky ny fahantranao tanteraka ara-toe-panahy, sy hanaiky izay omeny anao maimaimpoana.
Dia ho tonga saina ianao „fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy” (1 Petera 1:18-19).