Alarobia 13 Aogositra 2025

Indro, toy ny tanimanga eo an-tànan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tànako [hoy Jehovah]. Jeremia 18:6

Fa asany isika. Efesiana 2:10

 

Ny vilany ataon’ny mpanefy tanimanga

Ndao hijery mpanefy tanimanga miasa. Maka vongan-tanimanga izy, fetafetainy, apetrany eo amin’ny ankodina, ary omeny ny endriny. Ny tanana iray, ao anatiny, dia mandoaka, manosika ny feta, manome ny habe tiana ; ary ny tanana ilany, etỳ ivelany, dia manome ny endrika, manalama, manome ny bika. Dia mamoaka zavatra tsara tarehy izy, avy tamina feta tsy nisy endrika.

Ampiasain’ny Baiboly izany kisarisary izany, ilazany an’Andriamanitra ho Ilay mpanefy tanimanga ary isika ho tanimanga eo ampelatanany (andininy androany). „Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony… Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 2:7 ; 1:31).

Nefa ny olombelona dia tsy nitoetra nankatò teo ampelatanan’Ilay Mpahary azy : tsy nankatò an’Andriamanitra izy, ka nanimba ny zavatra rehetra io fahotana io. Tahaka vilany iray simba izy, tsy afaka ampiasaina intsony. Noho izany ny mpanefy tanimanga dia manamboatra vilany hafa indray, araka izay tiany (Jeremia 18:4).

Nateraky ny Fanahy ny mpino, nateraka indray tamin’ny finoana an’i Jesosy, ka „vilany vaovao” eo ampelatanan’Andriamanitra, nomena aim-baovao. Ao anatiny ao, io tanana mahery io dia miasa eo amin’ny fanahy mba hamolavola azy. Etỳ ivelany dia mbola io tanana io koa no mamela hisy fiainana mampivelatra, nefa koa fitsapana, fahafatesana, aretina, zava-tsarotra isan-karazany, mba hanahafantsika bebe kokoa an’i Jesosy, Ilay Môdely lavorary.

Paoly dia nofidin’Andriamanitra mba hirahiny ho apostoly, ary nantsoina hoe : „fanaka voafidy” (Asan’ny Apostoly 9:15). Nandritra ny lalam-pijaliana nodiaviny izy dia mpanahaka an’i Kristy. Mpanompo nanetry tena izy, ary nanoritsoritra ny mpino tsirairay hoe „vilany tany” mirakitra harena be, dia ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Izay amirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra (2 Korintiana 4:6-7).