Talata 12 Aogositra 2025
Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao ; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. Salamo 9:10
Fony kely i Sascha dia nonina tany amina firenena iray ambany fitondrana jadona, tamin’ny taona 1980 tany ho any. Tamin’izy folo taona dia tonga ny polisy haka azy an-keriny teo amin’ny reniny, satria kristiana io reniny io. Nifikitra mafy tamin’ny reniny i Sascha sady niantsoantso hoe :
— Tsy te handao anao aho ! Sady nitomany ny reniny no namihina azy. Nihazakazaka nanatona ny manodidina, nahare izany. Dia niteny ny iray tamin’ireo polisy, tsy taitra akory, hoe :
— Tsy te hampisaraka azy ireo izahay, afaka miaraka aminy ny reniny !
Niainga ny fiara, ary tany anaty ala tany dia nijanona izy ireo ary navoakan’ny polisy ilay reny. Lasa ny fiara, nandao azy tao anatin’ny fahoriany.
Tsy nitsahatra nivavaka ho an’ilay zanany lahy kely izy, sady nanao fikarohana tany amin’ireo trano fitaizana maro teo amin’ny manodidina, nefa izao hatrany no navaly azy, hoe : „Tsy misy na inona na inona afaka ataonay aminao !” Nony farany izy dia navelan’ny Tompo hahita ny trano fitaizana nisy ilay zanany. Raha vao nifanena tamin’ilay reny ny mpanabe tao dia niteny taminy hoe : „Tena hafa mihitsy ny zanakao ! Isaky ny alohan’ny hatory izy dia mandohalika foana ary mivavaka. Torahin’ireo ankizy hafa ondana izy. Saingy ny ampitso maraina dia mbola mivavaka indray. Mivavaka ihany koa izy rehefa hisakafo, ary dia tony sy milamina hatrany !”
Navela irery tao amin’ny efitra firesahana i Sascha sy ny reniny, ka afaka niresaka amin’izay, ary niara-nitomany. Nandritra ny fifampiresahana dia niteny miafinafina tamin’i Sascha ny reniny hoe :
— Sascha-ko a, nahoana ianao no tsy nanoratra ho ahy ? Nibitsibitsika izy namaly hoe :
— Tsy azoko atao izany, satria misy manara-maso mandrakariva izahay… Niverina ilay mpanabe ary nahita azy ireo nandohalika. Fotoana fohy taorianan’izany dia nahita ny finoana an’i Kristy koa izy sy ny zanany vavy.