Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Mpamonjy iray

Isaac B. Singer (1904-1991) dia teraka tao amina fianakaviana mpitarika ara-pivavahana jiosy. Nifindra monina tany Etazonia izy tamin’ny taona 1935, ary nahazo ny Loka Nobel momba ny literatiora tamin’ny taona 1978. Rehefa nanoritsoritra ny fahazazany tany Varsovie izy dia nanokana toko iray manontolo ho an’i Reb Ascher, ilay mpivaro-dronono. Izao no notantarainy :

„Tany aminay, tao an-trano dia efa vonona avokoa ny zavatra rehetra hankalazana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo (Levitikosy 23:34). Efa alina ny andro, ka nandeha natory izahay. Saingy hadinonay ny namono ny labozia. Nony alimbe dia nankany amin’ny Gara i Reb Ascher, haka ny ronono. Nandalo teo anoloan’ny tranonay izy, ary nahita hazavana tsy mahazatra tao amin’ny efitrano fipetrapetrahana : hay misy afo ! Niantso izy, nitabataba, nandondòna varavarana, niakatra ny tohatra ary niantoraka araka izay tratran’ny ainy teo amin’ny varavarana fidirana, izay nitresaka. Natory avokoa ny olona rehetra —efa nanomboka nirehitra ny polipitra sy ny bokim-bavaka. Niantsoantso mafy izy, nitady bodofotsy, ary namono ny afo.

Reb Ascher no hany olona mbola tsy natory tamin’izay ora izay, izy irery no tsy nisalasala nitabataba mandra-pisy olona tonga. Vonona izy nanao vy very ny ainy ho anay.”

Avy nieritreritra an’i Reb Ascher aho, dia niantefa tamin’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ny eritreritro ; nieritreritra Azy, Izay tsy vitan’ny hoe nanao vy very ny ainy, fa „nanolotra ny tenany hamonjy ahy” mihitsy. Izy irery no hany afaka namonjy ahy, Ilay hany nihevitra ny toetra naha mpanota very ahy, Ilay hany vonona ho faty ho ahy. Nitia ahy Izy, ary nanafaka ahy tamin’ny fahafatesana mandrakizay. Azy aho, ary hisaotra Azy mandrakizay.