Alahady 10 Aogositra 2025

Nataon’i Jehovah nihatra taminy (Jesosy) avokoa ny helotsika rehetra. Isaia 53:6

Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isaia 53:5

 

Tandremo ny afo !

Any Etazonia, any Ohio na any Indiana, dia misy velaran-tany midadasika rakotra ahitra, izay indraindray irehetana doro tanety mitranga ho azy. Dia miova tampoka ho ranomasin’afo mampivarahontsana ny tanin’ahitra, ka lozan’izay mpandeha voafandrika ao anatin’io ! Ny hany fomba ialana amin’izany dia ny mandoro ny ahitra manodidina ny tena, mba hanaovana faritra fialofana tsy hahafahan’ny afo miroso intsony, satria tsy misy ahitra.

Ny afo dia kisarisarin’ny fitsarana ara-drariny ataon’Andriamanitra amin’ny ratsy. Masina Andriamanitra, ka tsy afaka mandefitra amin’ny ota ary tsy maintsy manafay izany. Hoy Izy : „Ahitra ny nofo rehetra” (Isaia 40:6). Toy ny ahitra mihamaina ny olombelona : tsy mahay manalava ny fotoana fisiany, ary mainka aza tsy afaka hijanona eo anatrehan’Andriamanitra, satria hoe nahavita zava-mendrika : „Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Ny fiainana mahitsy sy ny fahatsiarovan-tena ho tsy nanao hadisoana dia tsy manova na inona na inona amin’ny fomba fijerin’Ilay Andriamanitra masina, Izay tsy ho takatsika na oviana na oviana ny haavon’ny fitakiany. Nefa tia antsika Izy, ka manolotra ho an’ny rehetra fomba hahazoana famonjena, satria ny afon’ny fitsarany dia efa namely an’i Jesosy Zanany, Ilay sorona lavorary nivesatra ny fahotantsika ; ary io sorona io dia nahafeno tanteraka ireo fepetra takin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Na iza isika na iza, ary na inona na inona nataontsika, raha mino an’i Jesosy isika, dia alofany amin’ny rany nalatsaka ho antsika ; izany irery ihany no lalam-pamonjena ! „Fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” (Hebreo 9:22). Io famonjena io dia miorina amin’ny halavorarin’i Kristy sy ny asany. Noho ny finoana Azy isika dia tsy mandalo fitsarana intsony, ary manana ny fiainana mandrakizay.