Asabotsy 9 Aogositra 2025
Ny fanjakantsika dia any an-danitra. Filipiana 3:20
(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3
Tamin’ny fiandohan’ny Ady Lehibe faharoa (1939-1945) i Mussolini filoham-pirenena dia nandrara ny Italiana tsy hankany Amerika. Nisy lehilahy italiana roa efa nonina ela tany Etazonia, nitsidika an’i Italia tamin’izay fotoana izay. Ny iray dia tompona banky malaza, ny faharoa mpamboly. Samy nangataka fanomezan-dalana hiverenana any Amerika izy roa lahy. Iray ihany no nahazo, dia ilay mpamboly, nanana ny zom-pirenena amerikana ka tsy voakasik’ilay fandrarana. Ilay tompona banky kosa nitazona ny zom-pirenena italiana, ka tsy nahazo niverina tany.
Indray andro any aho dia tsy maintsy handao ity tany ity rehefa maty, na rehefa hiverina Jesosy haka ireo mpino nametraka ny fitokiany taminy. Koa mipetraka ny fanontaniana lehibe fototra hoe : Inona moa ny „zom-pirenenko” ?
„Mponin’ny tany” ve aho ? Manana fiainana mahitsy, fifandraisana tsara aman’olona, angamba misy kolontsaina kristiana, mbamina fahalalana ara-Baiboly sasantsasany aza. Raha izany aho dia mitoetra ho mponina mifatotra amin’ny tany ihany, ka mpiombona amin’ny anjara voambara mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra hoe : „Hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy” (2 Petera 3:10).
„Kristiana” ve aho ? Raha izany dia mponin’ny lanitra aho. Rehefa hiverina Jesosy, dia hitsangana aloha ireo izay maty ao amin’i Kristy ; ary isika mpino mbola velona dia hakarina miaraka aminy any an-danitra (1 Tesaloniana 4:16-17). Ahoana no hahazoana io zom-pirenen’ny lanitra io ? Hoy Jesosy : „Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:7).