Zoma 8 Aogositra 2025

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12

Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana. Joba 22:21

 

Ilay fiaram-pandevenana sy ireo mpanao sakam-piara

Niverina avy tany amin’ny fasana tao amina tanàna kely iray ilay fiaram-pandevenana. Nisy tanora roa mpanao sakam-piara nanakana ilay mpamily :

— Misy toerana ve ao aminao ? hoy izy ireo nivazivazy.

— Ie, ary mbola ho avy ny anjaranareo, hoy ilay lehilahy namaly. Efa nandevina olona salama tsara tahaka anareo izao aho.

Ny fahafatesana dia tahaka mpamangy tsy nampoizina. Manelingelina ny olona mandraharaha betsaka izy, manelingelina ny renim-pianakaviana manalehibe ny zanany, ny tovolahy ao amin’ireo tetikasany, ny lehilahy efa nahazo taona mbola amperin’asa. Fantatsika tsara fa eo ny fahafatesana, eo amoron-dalana, toy ny hoe miandry ny handalovantsika. Izao no fanontaniana mipetraka : Vonona hihaona aminy ve isika ? Mazava kokoa ny filazan’ny mpaminany Amosa, hoe : „Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao”. Toy izany tokoa mantsy no tokony handraisana ny fahafatesana.

Ny Tompo Jesosy dia milaza mazava amintsika fa fomba roa ihany no ahafatesana (Jaona 3:36) :

— „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay” : izany dia ho an’izay miaiky fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra, ary nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny. Amin’izay ny fahafatesana dia lalana mankany amin’ny paradisan’Andriamanitra, mba hiaraka amin’i Jesosy.

— „fa izay tsy mino (izay mandà tsy hankatò) ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” : izany dia ho an’izay nandà ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra ny olona rehetra, tamin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy voaonitra ny fahotany, ka tsy misy famonjena ho azony intsony, fa miandry fitsarana tsy maintsy hisy izy. Vonona ve ianao hihaona amin’Andriamanitra, amin’Ilay Andriamanitra tia anao ?