Alakamisy 7 Aogositra 2025
Mampiari-tory ny masoko Ianao ; mitebiteby aho ka tsy mahateny. Salamo 77:4
Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7
— Nitantana fikambanam-piantohana iray i Arthur Demoss. Miasa adiny 100 isan-kerinandro izy, tototry ny fanahiana. Rehefa nanjary kristiana izy dia nahita fa afaka niandraikitra ny zava-mamesatra azy Andriamanitra. Tsy nitebiteby nitady vahaolana intsony izy, rehefa nahatakatra fa Andriamanitra no tokony hataony lohalaharana sy hanokanany ny fotoanany tsara indrindra hivavahana sy hamakiana ny Baiboly. Ndao hihaino azy : „Apetrako am-patokiana eo ampelatanan’Andriamanitra ny raharahako sy ireo olako ; ary na toa tsy mampino aza, dia afaka milaza aho hoe tsy tototry ny fanahiana mihitsy intsony.”
Ndao hojerentsika ny fihetsika olona roa ao amin’ny Baiboly niatrika toejava-tsarotra.
— Asafa dia mitantara ao amin’ny Salamo 77 ny zavatra niainany. Mitebiteby izy noho ny korontana lalovan’ny fireneny, tsy matory intsony, mivavaka mandritra ny alina tontolo, nefa tsy nahita fitsaharana. „Ny fanahiko tsy nety nampiononina” (and 2). Namaly izany hiakam-pahoriana izany Andriamanitra : „Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba nariako : aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao” (Isaia 41:9-10).
— Ny apostoly Paoly, nigadra tany Roma, dia rariny raha nitebiteby ; notandindomin’ny fahafatesana izy, nefa dia nanoratra hoe : „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6-7).