Alarobia 6 Aogositra 2025
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota ; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. Jakoba 4:8
(Hoy Jesosy :) Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Jaona 14:23
Nisy miaramila vitsivitsy, tamin’ny Ady Lehibe faharoa, nanoratra teo amin’ny fehikibony hoe : „Gott mit uns” („Momba antsika Andriamanitra”), ary nandeha niady.
Ireo olon’ny Ambaratongam-pitsarana mpanadihady (Inquisition) dia resy lahatra fa nomban’Andriamanitra rehefa nandefa hodorana, kristiana noraisiny ho mpanohana finoana diso, araka ny fiheviny… Hita amin’izany fa ny olona, noho ny hambony sy hajambany, dia afaka manao asa fanapotehana sady milaza fa avy amin’Andriamanitra.
Nefa toejavatra tsy manan-tsahala ny nanaporofoan’Andriamanitra fa tetỳ an-tany Izy, tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, Izay olona : „Imanoela : Amintsika Andriamanitra” (Matio 1:23). Na izany aza anefa dia nolavin’ny olona sy novonoiny ho faty ny Tompo Jesosy Kristy. Nohomboan’izy ireo teo amin’ny hazofijaliana Izy, hampisehoany fa tsy mila an’Andriamanitra izy ireo ary te hiaina tsy miankina aminy. Mandraka ankehitriny dia mbola maro ny olona mandà tsy hino izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
Te hiaraka amintsika anefa Andriamanitra. Ndao hisafidy ny hino ny Teniny, hino ny Filazantsara ampahafantarin’ny Zanak’Andriamanitra antsika. Tamin’ny nahatongavany hihaona amin’ny zavaboariny tetỳ an-tany Izy dia nandray ny anarana hoe Jesosy (midika hoe : Jehovah no Mpamonjy) : „Fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1:21). Io anarana io dia mampahatsiahy antsika fa mila Mpamonjy isika, mba hanafaka antsika amin’ny fahamelohana sy mba hahafahantsika mifandray amin’Andriamanitra. Raha manaiky handray Azy isika, dia hahatsapa ny fisian’Andriamanitra miaraka amintsika. Fa raha tsy izany dia hitoetra lavitra Azy mandrakariva ary ho vahiny amin’ny fiheviny rehetra.