Talata 5 Aogositra 2025
Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny. Jakoba 1:14
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazofijaliana. Galatiana 5:24
Ny hoe fitsiriritana dia ny fitiavana te hanana zavatra an’ny hafa. Mety hoheverina ho fahotana tsy dia lehibe izany. Nefa maromaro ny ohatra mitera-doza hita ao amin’ny Baiboly.
— Ahaba mpanjaka dia nitsiriritra ny tanimboalobok’i Nabota mba hataony fambolena anana (1 Mpanjaka 21). Ity farany kosa, izay niraiki-po tamin’ny lova navelan’ny razany, dia nandà tsy hanome izany azy. Soritsoritan’ny lahatsoratra amintsika ny toe-panahin’ny mpanjaka tamin’izay fotoana izay : alahelo, hatezerana, hakiviana… Nasain’i Jezebela vadiny vonoina i Nabota, mba hahafahan’ny mpanjaka maka ilay tanimboaloboka.
— Davida mpanjaka dia nitsiriritra vehivavy tsara tarehy iray, ka tonga hatramin’ny namonoana ny vadin’ilay vehivavy (jereo 2 Samoela 11).
Ny andinin-tSorata Masina voalohany voatanisa etsy ambony dia mitohy toy izao : „Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota ; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana” (Jakoba 1:15).
Ny olombelona, izay mpanota toetra, dia tsy afaka mihitsy, amin’ny heriny manokana, manafaka ny tenany amin’io fatorana io. Na mpino manana ny ain’i Kristy ao anatiny aza, toa an’i Davida, dia miaiky fa mety mitranga ao am-pony ny fitsiriritana. Andriamanitra anefa mahay manafaka azy amin’izany.
Ny dingana voalohany dia ny fiekeko fa mpanota aho eo anatrehan’Andriamanitra, sy ny finoako fa Jesosy Kristy nanonitra teo amin’ny hazofijaliana ny fahotako. Dia afaka mahatsapa aho fa noraisan’i Jesosy tamin’ny tenany teo amin’ny hazofijaliana ihany koa ilay toetra maha mpanota ahy, izay antsoin’ny Baiboly hoe „ny nofo”, na koa „ny ota”. Efa niara-voahombo taminy teo ny filako sy ny fitsiriritako : fantatro fa tsy andevon’ireo intsony aho !