Alatsinainy 4 Aogositra 2025

Ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ny lohan’ny mpisorona ka nanao hoe : Homenareo ohatrinona aho, hanolorako Azy aminareo ? Ary izy nandanja sekely volafotsy telopolo homena azy. Matio 26:14-15

 

Jodasy : ilay namadika an’i Jesosy tamin’ny fanorohana (13)

Fantatra tsara ny anarana hoe Jodasy, dia ny anaran’ilay mpamadika. Jodasy dia nofidin’i Jesosy, toy ireo apostoly hafa, ary nanaraka Azy nandritra ny telo taona. Nefa rehefa tany Jerosalema i Jesosy, dia nankany amin’ny mpitondra ara-pivavahana i Jodasy ary nanaiky hitoroka Azy amin’ny vola telopolo.

Nandritra ny sakafo hariva farany niarahany tamin’ny mpianany dia nanambara tampoka Jesosy hoe : „Ny anankiray aminareo no hamadika Ahy”, ary avy eo dia nanolotra sombin-kanina an’i Jodasy, mba hanondroany azy ho ilay mpamadika. Dia nivoaka tamin’ny alina Jodasy (Jaona 13:21-30). Taorianan’ny sakafo dia nankany amina saha iray akaikin’i Jerosalema i Jesosy sy ny apostoly iraika ambin’ny folo lahy. Nony sasakalina dia nisy vahoaka be nirongo sabatra sy langilangy, nipoitra tampoka. Niaraka tamin’izy ireo i Jodasy ; nandroso izy, nanatona an’i Jesosy, ary nanondro Azy tamina oroka (Matio 26:47-49). Nandositra ireo apostoly hafa, ary voasambotra Jesosy : hohelohina Izy ary hoentina eo amin’ny hazofijaliana. Jodasy kosa dia hamerina ny vola ary hananton-tena…

Taorianan’ny niakaran’ny Tompo Jesosy any an-danitra, ny apostoly dia nahita, tao amin’ny Soratra Masina, lahatsoratra manambara ny anjara asa mampalahelo nataon’i Jodasy, sy milaza ihany koa fa tokony hosoloina izy. Koa nangatahin’izy ireo ny Tompo hitari-dalana azy ireo, dia ny apostoly Matiasy no voatendry (Asan’ny Apostoly 1:26).

Manetriketrika ny ohatra momba an’i Jodasy. Ambaran’ny Baiboly fa nitana ny kitapo iombonan’ny mpianatra izy, ary mpangalatra (Jaona 12:6). Na dia efa niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny telo taona aza izy, ary nisitraka ny fitiavany tsy tapaka, dia mbola nangatsiaka hatrany ny fony, nohamafisin’ny fitiavam-bola.

(tapitra)