Alahady 3 Aogositra 2025

Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. Apokalypsy 5:12

 

Ny Liona sy ny Zanak’ondry

„Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe : Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny ? Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy” (Apokalypsy 5:2-3). Io boky io dia mirakitra ireo fitsarana hihatra any aoriana amin’ny tany. Mihidy amina tombokase fito izy io. Ny Apokalypsy dia mampiseho ny famahana ny tombokase tsirairay ho ny iray amin’ireo fitsarana ireo. Koa tena manetriketrika ny fampihetsehana ireo fitsapana ireo. Tsy misy olona, na any an-danitra na etỳ an-tany, mendrika sy afaka manokatra ilay boky. Noho izany dia nitomany mafy ny apostoly Jaona. Saingy nisy olona iray nampitony azy hoe : „Aza mitomany ; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda… no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito”. Fantatsika ao amin’io Liona io Jesosy Kristy, Ilay Mpanjaka.

Koa manampo hahita Azy ao amin’ny fahitana manaraka indray isika, nefa mifanohitra tanteraka ny zavatra hita ! „Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono… Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tànana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana” (Apokalypsy 5:6-7). Ilay Liona mpandresy no nampoizina ho hita, kanjo Zanak’ondry no niroso ! Jesosy Kristy dia sady Ilay Mpanjaka be voninahitra (ny Liona) no Ilay nanolotra ny tenany ho sorona noho ny fahotantsika (ny Zanak’ondry). Nandresy Izy, tsy tamin’ny hery, fa tamin’ny fahafatesany.

Isika dia afaka mahafantatra Azy ho Ilay namonjy antsika tamin’ny rany latsaka teo amin’ny hazofijaliana, sy Ilay manjaka eo amin’ny fiainantsika araka ny maha kristiana antsika, alohan’ny hanjakany, indray andro any, amin’izao tontolo rehetra izao.