Asabotsy 2 Aogositra 2025

Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Romana 8:2

 

Herin’ny fifampisintonana

Fantatsika ny lalànan’ny fifampisintonana : iza moa no mbola tsy nahita zavatra latsaka tamin’ny tany ? na izy tenany mihitsy aza no nianjera ? Tsy azo ihodivirana io lalàna io… raha tsy hoe angaha misy hery manohitra azy. Raha mitsambikina avy eny antampona tevana aho, entina elonaina fisidinana (parapente), dia ingain’ny rivotra miady miakatra, ary ampiakariny haingana ambony kokoa noho ilay tevana. Ny herin’ny rivotra mafana miady dia manohitra ny sintom-besatra ka ahafahako mandresy ny lalànan’ny fifampisintonana. Ny mpampiasa elonaina fisidinana dia mahafantatra ny fepetra mampahamety aminy ny rivotra miady miakatra.

Toy izany koa ny amin’ireo lalàna ara-toe-panahy : ny ratsy mihombo amin’ny olombelona dia misintona ahy ary mampidina ahy ambany kokoa hatrany, ho lavitra an’Andriamanitra, raha tsy hoe misy hery matanjaka kokoa manainga ahy. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Fa ao amin’i Kristy Jesosy, ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.” (Romana 8:2). Taomina ny mpino mba hiaina araka ny herin’ny Fanahy Masina, toy ny ianteheran’ny mpampiasa elonaina fisidinana amin’ny rivotra. Amin’izay ny kristiana dia afaka ho „manoatra noho ny mpandresy… amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:37).

Midika ve izany fa tsy hanota intsony rehefa kristiana ? Tsia, fa mbola hanota ihany raha mitoky amin’ny herin’ny tena manokana na amin’ny fisainan’ny tena, toy ny mpandeha elonaina fisidinana izay mitsambikina any amin’ny habaka nefa tsy namatotra ny fitaovany.

Ahoana ny fomba hiainana izany hery ara-panahy izany ? Amin’ny finoana sy fatokiana an’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly : „Izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo (ao amin’ny vatana) dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).