Zoma 1 Aogositra 2025

Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao ? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy. Jakoba 4:4

Izay manafina ny fahotany tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Ohabolana 28:13

 

Tafalentika hoe ?

Fahiny ny tanànan’i Aigues-Mortes dia fitodiantsambo tany amoron’ny ranomasina Mediteranea. Tany ny mpanjaka Saint-Louis no niondrana an-tsambo mba hanao „fanafihana masina”, tokony ho 700 taona lasa izay. Ankehitriny io tanàna io dia any amin’ny 6 km avy eo amin’ny sisin-dranomasina.

Matetika dia mitovy amin’io tanàna tafalentika io ny toerana misy antsika kristiana ! Tsikelikely eny dia mahazo bahana ao anaty fontsika ny fiahiana ny fiainana, ny fialamboly atolotr’izao tontolo izao. Tsy hita akory fa mihamitombo isaky ny taona mifanesy io filentehina io. Ho haintsika akory ve ny hahatsapa ny zavamisy ? Misy zavatra iray navotsotsika : ny famakiana isam-potoana ny Baiboly, vakiteny iankinan’aina noeritreretina hotohizina aoriana. Nefa tafiditra tamina banga iray ny koriandrano mpamotika. Tsy re tsaika dia nikatona tsikelikely ny Baiboly, tsy vakina intsony. Ary tsy nivavaka intsony… Sa heverina fa tsy ilaina intsony Andriamanitra ?

Fomba ahoana no nidiran’io koriandrano io ? Ndao tadiavina hoe tamin’ny varavarana aiza, mba hanampenana azy. Ny fitiavana tafahoatra fanatanjahantena na famakiam-boky ve ? Sa asa maharevo ? na fisarihan’ny rehak’izao tontolo izao ? Ary koa, tsy voafehy intsony ve ireo efijery (écrans) isan-karazany nanjary ilaina ao an-tranontsika ? Anjaran’ny tsirairay ny mamantatra izay nampihataka azy tsy hitahita tamin’ny loharanon’ny aina.

Matoa aho tahaka an’i Aigues-Mortes, tafalentika, dia satria navelako hiditra i Satana sy ireo tolotra feno hafetsena omeny, mba hamehifehy ny fieritreretako sy hameno ny foko amin’izay tian’izao tontolo izao ; tsy maintsy atosiko hivoaka izy. Tsy misy marimaritra iraisana azo ekena avy aminy, na inona na inona fanovana endrika ataony. Aza manaiky hofitahiny. Tsy maintsy mivoaka izy ! Tsy misy toerana ho an’Andriamanitra sady ho an’i Satana, ao amin’ny fiainanao sy ny tokantranonao.