Alakamisy 31 Jolay 2025

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

 

Vakio ny Baiboly

Raha efa tany Mexique ianao (Amerika Avaratra, miray sisintany amin’i Etazonia) dia mety nahita ny „Havoanan’ny Baiboly” : eo amin’ny tehezan-tendrombohitra vatovatoana iray, any amin’ny faritr’i Chihuahua, efa 31 taona izao, dia misy hosodoko an-drindrina goavana, tazana any an-kilaometatra maro, manafatra hoe : „Tanànan’i Juarez, ny Baiboly no Fahamarinana, vakio izy”.

Jesosy mihitsy no miteny amintsika hoe : „Dinihinareo ny Soratra Masina… ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39).

Manana Baiboly ve ianao ? Manana harena be izany ianao, dia ny Tenin’Andriamanitra. Vakio amim-bavaka sy am-patokiana izy io, tadiavo ao amin’ireo pejiny ny Tompo Jesosy, mianara hahafantatra ny fahasoavany sy ny fitiavany mahatalanjona.

Koa iza àry, raha manana harena be, no handevina izany ka tsy hisitraka izany akory ? Izay manao izany dia hitovy amin’ilay vehivavy hita tany Pompéi tototry ny lavenon’ny Vésuve (volkano —afotroa- any Italia) : feno firavaka ny tanany, saingy tsy nahavonjy azy izany. Ny mitahiry Baiboly iray eny ambony talantalana, mandeha mamonjy fotoam-pivavahana, mahare resaka momba an’Andriamanitra, na manana fiainana mahitsy —izany rehetra izany dia tsy mahavonjy amin’ny fitsaran’Andriamanitra noho ireo fahotantsika. Ny hany mahavonjy dia ny finoana manokana IIay Zanak’Andriamanitra, maty teo amin’ny hazofijaliana hisolo anao.

Rehefa mitsidika firenena iray dia ilaina ny mitsangantsangana ao anatiny, mandehandeha any amin’ireo tanànany, mamonto ny tena amin’ny rivotra iainana ao aminy. Dia toy izany koa, mba hahafantarana an’Andriamanitra sy handraisana ny hafatra ampitainy, dia ilaina ny mamaky —tsy maimaika- ny Baiboly, ny maka fotoana handinihana azy, mba handrenesana ny Tompo miteny amintsika. Vakio ny Baiboly, angataho am-panetrentena sy am-pahatsorana Andriamanitra mba haneho ny tenany aminao : omeny valiny tena izy ny fanontanianao rehetra. Minoa ny Teniny, dia hanome anao fiadanana, fifaliana ary famonjena mandrakizay Izy.