Alarobia 30 Jolay 2025
Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona… Hoy Izy (Jesosy) taminy : Te ho sitrana va ianao ? Ilay marary namaly Azy hoe : Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy… Hoy Jesosy taminy : Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana. Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy. Jaona 5:5-9
Nandry teo amorona farihy iray nandritra ny 38 taona ity lehilahy malemy, niandry fahasitranana tamin’ny fomba mahagaga. Napetraky ny Tompo taminy ny fanontaniana manaitra hoe : „Te ho sitrana ve ianao ?” Ao amin’ireo filazantsara, imbetsaka Jesosy no manontany an’ireo olona nanatona Azy, izay tadiavin’izy ireo aminy.
Noarìn’Andriamanitra ho tompon’andraikitra ny olona : nomeny fahaizana misafidy sy fahalalahana hanao izany. Mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra, nefa tsy manery antsika hanaiky Azy hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika, raha tsy mangataka izany isika. Ny olona tsirairay dia mety hanana ratra anaty mifandraika amina lasa nampangirifiry, fifanolanana tsy voavaha, fahatsapana fahamelohana miverimberina, na koa angamba tsy fanajana na tsy fitiavana. Na inona na inona fototry ny olana eo amintsika, dia apetrak’Andriamanitra hatrany ny fanontaniana hoe : „Te ho sitrana ve ianao ?” Ny mamaly mazava io fanontaniana io dia efa fahatsapana sahady ny toetran’ny tena, avy eo fahatongavan-tsaina hoe mila fanampiana avy etỳ ivelany, sady fatokiana an’Andriamanitra. Nandritra ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy dia nanasitrana fo maro naniry mafy fanafahana. Tsy miova Andriamanitra, toy ny hatrizay hatrany. Hainy atao mandrakariva ny manasitrana ny olona maratra, voaempaky ny fiainana. Aza matahotra ny hiresaka aminy isika. Efa nampanantena Izy fa tsy hanosi-bohontanana, na oviana na oviana, ireo izay mitady vonjy aminy. „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37).
Ianao izay efa taona maro no mitondra enta-mavesatra, tsy fantatry ny hafa angamba, te ho sitrana ve ianao ?